Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra

Daty
Talata 13 May 2025

Hita manerana ny Testamenta Taloha ny kerobima, na amin'ny maha-voary velona azy (Ezek. 10:8) na ireo Gen. 27 sary volamena maneho azy ireo (Eks. 25:18). Matetika no anehoana azy ireo mijoro eo anilan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, maneho ny famirapiratan'ny voninahitr Andriamanitra amin'izao rehetra izao. Natao soratry ny ambainy manoloana ny Efitra masina indrindra ny kerôbima (Eks. 26:1). Ao amin'ny bokin'ny Salamo dia amin'ny endrika kanto no anehoana an-tsary ny fahefana lehibe ananan'Andriamanitra manoloana ny voary manontolo ka ny kerôbima no notaingenany nanidina teo amin'ny rivotra (Sal. 18:10). Nanome baiko koa Andriamanitra ny hanasiana kerôbima roa vita amin'ny volamena eo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary ny elany dia mivelatra sy mifanendry (Eks. 25:18-20).

Vakio ny Ezek. 1:4-14. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-teny ireo sy ny toe-javatra resahina ao amin'ny Isa. 6:1-6 sy ny Apok. 4:1-11?

Fanehoana mahatalanjona ny fahefan'Andriamanitra no natao tamin'i Ezekiela. Toe-javatra mahavery hevitra tahaka izay natrehin'ireo vahoakan'Andriamanitra velona tamin'izany andro izany no hitany: tsy ao amin'ny tany nampanantenaina ilay vahoaka voafidy fa babo tany Babilona. Rehefa nandinika ny toe-javatra naseho teo anoloany i Ezekiela dia niandrandra ary nahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra teo ambonin'izany rehetra izany.

Mariho ny fitoviana manan-danja hita eo amin'izany sy ireo fahitana hafa momba ny "seza fiandrianana." Mitovy amin'ny endriky ny zava-manana aina tao anatin'ny fahitana nomena an'i Jaona ny endrik'ireo zava-manana aina hitan'i Ezekiela: liona, voromahery, zanak'omby ary olona.

Tsy nomena anarana manokana ireo zava-manana aina saro-pantarina izay nanana endrika efatra ao amin'ny fanoritsoritana voalohany nataon'i Ezekiela. Ao amin'ny toe-javatra hafa miresaka momba ny seza fiandrianana kosa (jereo ny Ezek. 10:1-21), dia antsoina hoe "kerôbima" izy ireo. Hitantsika koa ny vainafo mirehitra ao amin'ny fahitana nomena an'i Isaia momba ireo serafima izay mitovy amin'ny endriky ny zava-manana aina voalaza ao amin'ny fahitana nomena an'i Jaona.

Isaky ny mahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra isika - na eo amin'ny fiaran'ny fanekena izay toerana nihaonan'Andriamanitra tamin'i Mosesy izany (Eks. 25:22) na ao amin'ireo fahitana mahatalanjona nomena ireo mpaminany - dia eo mandrakariva ny kerôbima. Manana fifandraisana ety amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ireo. Natao haneho ny voninahitr'Andriamanitra ireo voary rehetra noforoniny - na ny olombelona izay noforonina araka ny endriny izany na ireo anjely izay nomena toerana akaikin'ny seza fiandrianany be voninahitra.

"Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha." Manao ahoana ny toerana misy anao eo anatrehan'ny fahamasinana atrehin'i Ezekiela eto? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny filanao ny filazantsara?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal