Ny 1 Kor. 13:4-7 no ivon'io toko io. Mifantoka amin'ireo endrika isehon'ny fitiavana i Paoly - toy ny ahoana ny fitiavana ary toy ny ahoana ny tsy fitiavana? Inona no ataon'ny fitiavana ary inona no tsy ataony? Maneho ohatra mivaingana momba izany izy mba hahafahantsika mahazo sary an-tsaina ny fitondrantenan'ny olona iray feno fitiavana, tarihin'ny Fanahy Masina. Ampifandimbiasan'i Paoly ny matoanteny maro eo am-panoritsoritany ny fitiavana, Ho azy dia mahakasika ny asa kokoa ny fitiavana, noho ny fihetseham-po.
Inona àry no ataon'ny fitiavana?
- Mahari-po (makrothymeō): Ny hoe makrothymeð dia midika hoe maneho faharetana, na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra aza. Manasongadina ny fahaizana mifandefitra koa ny faharetana (Éfes. 4:2).
- Mora fanahy (chrēsteuomai): Eto ihany no ahitana ny teny chrësteuomai ao amin'ny TV, saingy misy teny hafa iray fototeny aminy hita any amin'ny andininy hafa. Ao amin'ny "Septante" (ny dikan-teny grika amin'ny Testamenta Taloha), ny ny teny avy amin'io fototeny io dia hita matetika ao amin'ny Salamo mba hanondroana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra sy ny sy ny famindram-pony (Sal. 145:9). Ny tian'i Paoly hambara amin'ny fampiasany io teny io dia izao: tsy maintsy tahaka ny fangorahana sy ny famindram-pon Andriamanitra amintsika ny fitiavantsika ny hafa.
- Miara-mifaly (synchairō) amin'ny fahamarinana: Ny hoe synchairō dia manondro ny fahaizana mifaly miaraka amin'ny hafa (Lio. 1:58; Lio. 15:6,9; 1 Kor. 12:26; Fil. 2:17,18).
- Mandefitra (stegő) ny zavatra rehetra: Miady hevitra ny mpandinika raha midika hoe "manarona" ny hoe stego, izany hoe mihazona zavatra ho tsiambaratelo (izay manana hevitra fiarovana koa), na midika hoe "miaritra", amin'ny heviny hoe mifahatra. Hita mazava ao amin'ny 1 Kôr 9:12 ny hevitra momba ny fiaretana, izay mahatonga ny ankamaroan'ny mpandika teny sy mpandinika ny Baiboly hifidy ilay hevitra faharoa ho azo antoka kokoa.
- Mino (pisteuő) ny zavatra rehetra: Ny hoe pisteuō dia iray fototeny amin'ilay teny grika ho an'ny finoana (pistis). Ao amin'ny tontolon-kevitry ny 1 Kor. 13, ny hoe mino ny zavatra re. hetra dia midika hoe tsy miahiahy ny namana na misy aza ny fisalasalana.
- Manantena (elpizō) ny zavatra rehetra: Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny matoanteny elpizo dia manondro mandrakariva fananan-toky na fanantenana fa hisy zavatra tsara hitranga.
- Maharitra (hypomenō) ny zavatra rehetra: Azo inoana fa tsy misy fahasamihafana ny matoanteny stego sy hypomeno ao amin'ny 1 Kor. 13:7. Teny mitovy hevitra izy ireo, izay midika hoe fiaretana ao anatin'ny fahoriana. Nampiasa ny hypomenő eo amin'ny faran'ny andininy i Paoly mba hialana amin'ny famerenana ny stego. Ny famerenany io hevitra io ihany amin'ny teny samy hafa, dia mba hisarihana ny saina amin'ny hoe: ny finoana sy ny fanantenana no ivony. Toy izao raha lazaina amin'ny teny hafa: maharitra ny fitiavana noho ny finoana sy ny fanantenana.
Ampitahao ny 1 Kor. 13:4-7 amin'ny Gal. 5:22,23. Inona no iraisan'ireo andalan-teny roa Ireo? Ahoana no ahafahantsika maneho izany karazam-pitiavana izany eo amin'ny fiainantsika?