Efa noresahintsika tamin'ny herinandro ny lohahevitra momba ny fitiavana, araka ny hita ao amin'ny 1 Kor. 13. Mila mandalina bebe kokoa ny tenin'i Paoly eto isika.
Vakio ny 1 Kor. 13. Fintino izay ambaran'izany amintsika momba ny fitiavana.
Tsy milaza tsy akory i Paoly fa tsinontsinona ny fiteny amin'ny teny tsy fantatra (1 Kor. 13:1), na ny faminaniana, na ny fahalalana, na ny finoana (1 Kor. 13:2), na ny fanaovan-tsoa (1 Kor. 13:3). Tsinontsinona izy ireo raha tsy ny fitiavana no manesika azy.
Ny karazam-pitiavana resahin'i Paoly dia tsy ilay hita amin'ny fehezanteny toy ny hoe: "Tiako ny frezy" na "Tiako ny namako" na koa "Tiako ny vadiko aman-janako". Tsy miresaka momba ny karazam-pitiavana hita any amin'ny sarimihetsika koa izy. Ary tsy fitiavana ara-nofo izany, na dia fampiasa matetika amin'ny toriteny mandritra ny fampakaram-bady aza ireo andininy ireo.
Maivana ihany ny famaritana io fitiavana io ho firaiketam-po, na fiantrana, na hatsaram-panahy, na fanaovan-tsoa fotsiny. Kanefa ireo rehetra ireo dia maneho izany ihany amin'ny ampahany kely na lehibe. Fahasoavana manokana omen'ny Fanahy Masina antsika io fitiavana io. Raha ny marina, ny fitiavana resahina ao amin'ny 1 Kor. 13 dia fandrisihana avy amin'ny Fanahy izay mahatonga antsika hanao zavatra amin'ny fo, amim-piantrana, amim-pahatsaram-panahy, ary amim-ny asantsika, ny fihetseham-pahalalahan-tanana. Fanoloran-tena tanteraka pontsika ary ny eritreritsika - ho an'i Kristy sy ny namantsika izany.
Vakio ny Mat. 24:12. Inona ny fampitandremana omen'i Jesôsy antsika eto?
Izany no mahatonga ny agape ho zava-dehibe tsy maintsy ananana. Noho ny herin'i Kristy, tsy azontsika avela hangatsiaka ny fitiavana ao an-tokantranontsika, ao am-piangonantsika, na eo amin'ny manodidina antsika. Manana ny ohatra nasehon'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana isika, izay nahafatesany ho antsika. Moa ve misy fanehoana tsara sy mahery vaika kokoa io karazam-pitiavana io mihoatra noho izany? Na mazava loatra aza fa tsy ho haintsika ny haneho fitiavana mitovy tanteraka amin'izany, dia tokony hiezaka ny haneho izany eo amin'ny fiainantsika isika araka izay vitantsika, noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
Inona avy tokoa ireo toe-javatra izay, ho nisy fiantraikany tsara sy mahery vaika ny fanehoana io karazam-pitiavana io teo amin'ny olona iray nila izany indrindra?