Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.

Daty
Talata 17 February 2026

Vakio ny Efes. 1:22 sy ny Kôl. 2:10. Inona no hevitry ny "loha" ao amin'ireo toko sy andininy ireo? Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny fiantsoany an'i Jesosy hoe "Lohan'ny fiangonana" (Efes. 5:23)?

Mandeha ho azy ny fampiasana ny loha ho sary an'ohatra maneho ny fitarihana; hita taratra eo amin'ny tenim-pirenena tsy tambo isaina maneran-tany izany. Hitantsika manerana ny Testamenta Taloha sy Vaovao koa ny fampiasana izany. Mariho ny fampiasana ny "loha" ao anatin'ireto toko sy andininy manaraka ireto: 

1. "Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo." - Eks. 18:25

2. "(...) lohan'ny fianakaviana" - Nom. 31:26

3. Hataon'i Jehôvah "ho lohany (...), fa tsy ho rambony" Isiraely raha toa mankato Azy (Deo. 28:13).

4. "Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina." Isa. 7:8

5. "(...) ny taranak'i Joda sy ny taranak'lsiraely (...) hifidy anankiray ho lohany." - Hôs. 2:2

6. "Mba henoy izao, ry lohandohany eo amin'ny taranak'i Jakoba." - Mika 3:9, DIEM

7. "Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra." - 1 Kôr. 11:3

Araka izany, amin'ny maha Lohan'ny fiangonana Azy, dia mitarika sy manoro ary mamelona Izy mba hisian'ny firaisana sy ny fitomboana ao amin'ny fiangonana (jereo ny Köl. 2:19).

Vakio ny 1 Kôr. 12:12-27. Tahaka ny "tena" iray no anoritsoritan'i Paoly ny fiangonana eto. Inona ireo lafiny hafa eo amin'ny fiangonana izay asehon'izany sary an'ohatra izany?

Tahaka ny tena izay tsy velona raha tsy misy loha, rehefa tsy eo na maratra ny momba ny tena, dia ho sarotra kokoa ny miaina. Matetika isika no tsy mahatsapa ny tena lanjan'ny zavatra iray raha tsy efa tsy eo amintsika intsony izany.

Raha toa ianao tsy maintsy mamoy rantsam-batana iray na maso iray, inona no fidinao hafoy amin'ireo? Inona no asehon'izany momba ny tombambidy lehibe ananan'ny tsirairay amin'ny maha mambran'ny fiangonana azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal