Hodinihina mandritra ny herinandro: Nom. 13:6, 30-32; Jos. 14:6-14 Lio. 18:1-5; Jos. 19:49-51; 2 Kor. 3:18; Rôm. 12:1,2.
Tsianjery:
"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin Andriamanitra tamínareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany." - Heb. 13:7.
Mahalala avokoa ny ray aman-dreny rehetra fa mianatra amin'ny alalan'ny ohatra aseho azy ny zanaka, sa tsy izany? Firy amin'ireo ray aman-dreny no efa nitebiteby nahita ny zanany nanaraka ny toetra ratsiny fa tsy ny toetra tsarany? Na firy taona isika na firy, dia hitantsika fa mora kokoa ny manao ratsy noho ny manao tsara. Tsy inona fa ampahany amin'ny atao hoe: voary lavo izany. "Fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko." Rôm. 7:15. Iza no tsy mahatsapa izany?
Manomboka amin'ny fahazazany dia ny ohatra aseho azy no mamolavola ny olombelona. Amin'ny alalan'ny fakantsika tahaka ireo izay akaiky indrindra antsika no ahaizantsika ireo zavatra fototra eo amin'ny fiainana, toy ny mamindra, ny miteny ary ny maneho fihetseham-po. Ary na efa olon-dehibe aza isika, dia mbola mila modely ihany, ary na tsy lavorary aza izy ireo, dia azontsika dinihina sy alain-tahaka ireo toe-panahy izay nahatonga azy ho olo-malazan'ny finoana.
Hodinihintsika lalina kokoa amin'ity herinandro ity ny ohatra manokana nasehon'ireo olo-malazan'ny finoana roa ao amin'ny bokin'i Josoa, dia i Kaleba sy i Josoa. Inona no nampiavaka azy ireo tamin'ny androny, sy nahatonga azy ireo nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny fiainan'ny vahoakan'Andriamanitra tao anatin'ireo vanim-potoana anisan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny Isiraely?
*Famerenana ny lesona ny sabata 22 Novambra.