Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.

Daty
Alatsinainy 17 November 2025

OMEO AHY IRY TENDROMBOHITRA IRY

Vakio ny Jos. 14:6-14, Nom. 14:24, Nom. 32:12, Deo. 1:36, ary ny Lio. 6:45. Ahoana no anoritsoritanao ny toe-tsain'i Kaleba sy i Josoa? Inona no hevitry ny hoe "tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehôvah Andriamanitro"?

Tsy nanadino velively ny teny fikasana nomen'i Jehovah azy tamin'ny alalan'i Mosesy i Kaleba, hiditra amin'ny tany izay nodiavin'ny tongony izy (Nom. 14:24). Efa-polo taona taorian'izany, dia nilaza ny amin'ilay tatitra nataon'ny tenany momba ny Tany Nampanantenaina izy nanao hoe: "Nitondra teny taminy araka izay tao am-poko"-Jos. 14:7. Niorina tamin'ny faharesen-dahatra tao anatiny ny tatitra nataony fa, miaraka amin'ny fitarihan'Andriamanitra sy ny fanampiany, dia afaka hahazo ilay tany ny Isiraely.

Mifanohitra amin'ny tatitr'ireo mpisafo tany folo hafa izay nampihorohoro ny Isiraelita, i Kaleba kosa dia naneho fitokiana sy fanoloran-tena tanteraka ny amin'ny teny fikasan'ny Tompo. Ny fiteny hebreo, izay nadika hoe. "tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehôvah Andriamanitro"- Jos. 14:8, dia midika ara-bakiteny hoe "nanaraka an'i Jehôvah manontolo aho", ary mety ho endrika fohy kokoa amin'ilay fiteny lava kokoa manao hoe: "Nanaraka an'i Jehôvah tamin'ny foko manontolo aho" na hoe "Nofenoiko ny foko mba hanaraka avy ao aorian'i Jehôvah ." Natokan'i Kaleba manontolo ho an'i Jehôvah ny fony, tsy tahaka ny an'ireo nanaraka andriamani-kafa ka tsy nanaraka tanteraka an'i Jehôvah.

Naverina indroa izany fitenenana izany, izay manamafy ny fahatokian'i Kaleba (Jos. 14:9,14). Mifanaraka amin'ny nilazan'ny Tompo azy hoe "fanahy hafa no tao aminy" (Nom. 14:24) no nanoritsoritan'i Kaleba ny tenany, izay nampiavaka azy tamin'ireo mpisafo tany folo hafa. Na dia teo amin'ny faha-85 taonany aza dia nitoetra ho ohatra izy, ny amin'ny zavatra azon'ny Tompo tanterahina amin'ny alalan'ny olona izay manolo-tena amin'ny fony manontolo ho Azy sy ny asany.

Takatr'i Kaleba fa amin'ny farany, ny faritra izay ho azon'ny foko tsirairay eo amin'ilay Tany dia hifandanja tsara amin'ny haben'ny fahasahian'izy ireo nitaky ny teny fikasan'ny Tompo sy ny velaran'ny tany hodiaviny amim-pahavononana sy amim-pinoana. Ny teny fikasan'Andriamanitra dia tsy tanteraka ho azy. amin'ny heviny hoe: tanteraka mandrakariva tsy miankina amin'ny sitrapontsika. Mitaky finoana arahina asa feno fahatapahan-kevitra kosa izany. Ny teny hebreo hoe 'ulay’, nadika hoe "angamba" (Jos. 14:12), dia azo anambarana tahotra na fisalasalana, saingy matetika no manondro fanantenana sy fiandrandrana zavatra tsara hitranga izany (Gen. 16:2; Nom. 22:6, 11; Nom. 23:3).

Inona avy ireo marimaritra iraisana, na "kely" aza, izay mety hanakana antsika tsy hanaraka ny Tompo amin'ny fontsika manontolo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal