Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana

Daty
Alakamisy 20 November 2025

VOAOVA NOHO NY FIBANJINANA

Tena ilaina ho amin'ny fitomboantsika ara-panahy ny fibanjinana ny oha-piainan'ireo olo-malazan'ny finoana mahery fo. Etsy andanin'izany anefa, ny ohatra faratampony ho antsika dia i Jesôsy Kristy ny fiainany sy ny fampianarany. Manova antsika ny fibanjinantsika ny fiainan'i Jesôsy; amin'ny fomba ahoana? Jereo ny Heb. 12:1,2; 2 Kor. 3:18.

Nanao fikarohana momba ny asan'ireo sela mpitatitra antsoina hoe "neurones miroirs" (nerônina fitaratra, raha adika ara-bakiteny) i Marco lacoboni, mpahay siansa momba ny atidoha ao amin'ny Oniversiten'i Kalifornia, Los Angeles. Miasa ireo rafi-tsela madinika ireo na rehefa maneho fihetsika aza isika - toy ny mihomehy na mamihina olona sy rehefa mahita olon-kafa manao fihetsika toy izany isika. Ny asan'ireo sela ireo dia ny mampihena ny fahasamihafana eo amin'ny atao hoe mahita sy ny atao hoe manao.

Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fibanjinana ny toetran'i Jesôsy i Ellen G. White: "Mijery an'i Jesôsy isika dia mandray fahitana an'Andriamanitra mamirapiratra kokoa sy mazava kokoa, ary ny fibanjinantsika Azy no manova antsika. Ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, ny fitiavany ny mpiara-belona amintsika, dia manjary toetra mandeha ho azy ao amintsika. Mampitombo toetra amam-panahy izay setrin'ny toetra amam-panahin'Andriamanitra по hahalalantsika bebe kokoa Azy. Mitombo hatrany hatrany ny fidirantsika lalindalina kokoa amin'ny fifankazarana amin'izao tontolo izao any an-danitra, ary dia manana hery mitombo hatrany isika handraisana ny haren'ny fahalalana sy ny fahendren'ny mandrakizay." - HF, t. 368.

Vakio ny Rôm. 12:1,2. Inona ireo lalana roa manan-tanjona mifanohitra eo amin'ny fiainantsika? Ahoana no hahazoantsika antoka fa mizotra amin'ilay tsara isika?

Miresaka momba ny hery roa mifanohitra ny apostoly Paoly ao amin'ny epistiliny, dia ilay toko mamintina ny bokin'ny Romana. Samy miezaka manefy ny fiainantsika ireo hery roa ireo. Etsy an-daniny, ny tontolo manodidina antsika, miaraka amin'ny fitaomany amin'ny endriny isan-karazany, dia manao izay anerena antsika isan'andro ho tafiditra ao anatin'ny lasitra nataony, ary manova antsika ireny, manomboka amin'ny ivelany ka mankany anatiny.

Mba hanoherana izany dia hain'ny Fanahy Masina ny manova antsika avy ao anatiny mankeo ivelany, dia tahaka ny fiofon'ny bibin-tsaonjo ho lolo tsara tarehy. Kanefa mba hitrangan'izany amintsika, dia mila manokana ny tenantsika ho an'Andriamanitra isika ary mangataka Aminy hanohy ny asa tsara izay natombony tao anatintsika (Fil. 1:6). Ary farany, tsy maintsy manao safidy amim-piheverana tsara isika, amin'ny fotoana rehetra, mba handeha araka ny Fanahy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal