Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 5:17-48; 1 Kôr. 16:20; Mat. 4:1-11; Lio. 10:25-28; Lio. 24:25-27, 44-49.
Tsianjery
"Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra." - Lio. 24:27.
Taorian'ny fanomboana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin'ny maty, dia niseho tamin'ny mpianatra roa very fanantenana i Kristy. Samy niloa-bava izy ireo hoe: *"Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely."* – Lio. 24:21. Mesia iray hanafaka ny Jiosy amin'ny fifehezan'ny Romanina no nantenain'ireto mpianatra ireto. Io fiheveran-diso io sy ny fahadisoam-panantenana aterany dia vokatry ny fandikana vilana sy fanazavana tsy feno ny faminaniana momba ny Mesia ao amin'ny TT.
Novahan'i Kristy ny olan'ny tsy fahazoan-kevitr'ireo mpianatra roa ireo tamin'ny nanazavany ny Soratra Masina tamin'ny fomba fijery mivelatra sy feno kokoa (Lio. 24:25-27). Nanokatra ny mason'izy ireo ary nampangorakoraka ny fony ny fanazavan'i Kristy ny Soratra Masina (Lio. 24:31,32). Tatỳ aoriana dia niseho koa tamin'ny vondrona mpianatra maro kokoa tao Jerosalema i Jesosy, ary *"nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina"* – Lio. 24:45 (jereo koa ny Lio. 24:33, 36, 44-49).
Manasongadina ny vokatra tsara avy amin'ny fahatakarana marina ny teny faminaniana ireo fanandramana ireo. Ny fahatakarana diso ny faminaniana kosa dia mety hitarika ho amin'ny loza ara-panahy.