Nianarantsika omaly fa ny fitiavan'i Paoly ny Korintianina dia nasehony tamin'ny alalan'ny fampiononana azy ireo tao anatin'ny zava-tsarotra natrehiny, tahaka ny nandraisany fampiononana avy amin'Andriamanitra koa tamin'ny azy (1 Kor. 1:1-11). Anio kosa, ho hitantsika fa nasehon'i Paoly tamin'ny alalan'ny fahitsiana nananan'ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan'ireo mambra tao Korinto koa ny fitiavany.
Vakio ny 2 Kor. 1:12-14, mifandray amin'ny 2 Kor. 2:17 sy 2 Kor. 4:2. Amin'ny fomba ahoana no anehoan'ny fahitsian'i Paoly ny fitiavany ny Korintianina?
Ny 2 Kor. 1:12-14 no fampidirana ho amin'ny foto-kevitra hovelabelarin'i Paoly ao amin'ny epistiliny manontolo. Nampisalasala ny olona sasany tao Korinto ny fahitsian'i Paoly sy ny maha-apostoly azy marina. Nihevitra izy ireo fa nanana toetra miovaova sy tsy mahatapaka hevitra i Paoly, ka tsy mendrika ny fanompoana maha-apostoly. Nantitranterin'i Paoly ho setrin'izany, fa nitondra tena tamim-pahitsiana tanteraka izy sy ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan'izy ireo.
Teny roa no manoritsoritra ny fitondrantenan'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy: ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po (2 Kor. 1:12). Ny teny nadika hoe «fahamasinana» dia avy amin'ny teny grika hoe haplotës. Ampiasaina eto izany mba hanehoana ny fahitsiana manokana eo amin'ny fiteny na ny fihetsika; raha fintinina, dia manambara ny fahatsoram-po izany (Efes. 6:5, Kol. 3:22). Etsy ankilany, пу teny hoe "fahadiovam-po" (avy amin'ny teny grika hoe eilikrineia) dia manondro fahitsiana sy fahatsoram-po koa.
Tsy tokony ho nampisalasala ny Korintianina ny fahazavan-tsain'i Paoly. Nasehony mazava fa avy amin'Andriamanitra ny fahatsorany sy ny fahitsiany. Voambara tsara izany hevitra izany ao amin'ny dikan-teny DIEM: "Tamin'ny fahamasinana sy ny fahatsoram-po avy amin'Andriamanitra no nitondranay tena. " 2 Kor. 1:12. Ao amin'io andininy io ihany, nambaran'i Paoly fa nomena antsika «tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra» ireo toetra ilaina amin'ny fanompoana ireo.
Hita fa mety ho diso fandray ny tenin'i Paoly tao amin'ny hafatra nosoratany tany aloha ireo mpanohitra an'i Paoly (2 Kor. 1:13, 14). Nanome toky azy ireo i Paoly fa mazava sy mora takarina ny fikasany. Azony antoka fa ho hita porofo ny fahitsian'ny teniny, ny fikasany, ary ny asany "amin'ny andron'i Jesôsy Tompontsika"- 2 Kor. 1:14.
Oviana no efa nisalasalan'ny olona ny amin'ny fikasanao sy ny tanjonao, na dia tsy nieritreri-dratsy sy nadio fo aza ianao tamin'izany? Nanao ahoana ny fahatsapanao? Inona no ambaran'izany aminao momba ny tokony hitandremanao rehefa mampisalasala anao ny fikasan'ny olon-kafa?