Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 3:17-24; Deo. 6:3; Jos. 13:1-7; Heb. 12:28; Lev. 25:1-5, 8-13; Ezek. 37:14,25.
Tsianjery: "Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, hianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho." - Zak. 9:12
FAMPIDIRANA
Ahitana lisitra lava misy ny fari-tany mamaritra ireo tany nozaraina tamin'ireo fokon'ny Isiraely ny Jos. 13-21. Mety tsy hitan'ny mpamaky moderina loatra izay hevitr'ireo lisitra ireo sy ny lanjany, kanefa miorina amin'ny fahatakarana ara-teolojia mikasika ny Tany Nampanantenaina izany. fahatakarana izay manan-danja ho antsika ankehitriny. Amin'ny alalan'ireo lisitra ireo no nanirian'Andriamanitra hampianatra ny Isiraelita fa tsy nofy fa tena zava-misy ilay tany. Nampanantenaina azy ireo tamin'ny fomba azo notsapain-tanana izany nefa tsy maintsy manao izay hahatanteraka io teny fikasana io izy ireo ka miasa ho an'izany.
Izany hoe, hanome azy ireo ny tany ho lovany tokoa Andriamanitra, fanomezana izany, ho fanatanterahana ny Fampanantenany tamin'ny razan'izy ireo. "Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehôvah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy." - Deo. 1:8. Nanana ny anjara asany nifandraika tamin'izany koa anefa izy ireo.
Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny sasantsasany amin'ireo fomba fijery ara-teolojia mifandraika amin'ny Tany Nampanantenaina sy ny heviny ara-panahy ho an'ireo izay mitaky ny teny fikasana rehetra ao amin'i Jesôsy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 29 Novambra.