Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Daty
Sabotsy 22 November 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 3:17-24; Deo. 6:3; Jos. 13:1-7; Heb. 12:28; Lev. 25:1-5, 8-13; Ezek. 37:14,25. 

Tsianjery: "Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, hianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho." - Zak. 9:12

FAMPIDIRANA 
Ahitana lisitra lava misy ny fari-tany mamaritra ireo tany nozaraina tamin'ireo fokon'ny Isiraely ny Jos. 13-21. Mety tsy hitan'ny mpamaky moderina loatra izay hevitr'ireo lisitra ireo sy ny lanjany, kanefa miorina amin'ny fahatakarana ara-teolojia mikasika ny Tany Nampanantenaina izany. fahatakarana izay manan-danja ho antsika ankehitriny. Amin'ny alalan'ireo lisitra ireo no nanirian'Andriamanitra hampianatra ny Isiraelita fa tsy nofy fa tena zava-misy ilay tany. Nampanantenaina azy ireo tamin'ny fomba azo notsapain-tanana izany nefa tsy maintsy manao izay hahatanteraka io teny fikasana io izy ireo ka miasa ho an'izany.

 Izany hoe, hanome azy ireo ny tany ho lovany tokoa Andriamanitra, fanomezana izany, ho fanatanterahana ny Fampanantenany tamin'ny razan'izy ireo. "Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehôvah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy." - Deo. 1:8. Nanana ny anjara asany nifandraika tamin'izany koa anefa izy ireo.  

Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny sasantsasany amin'ireo fomba fijery ara-teolojia mifandraika amin'ny Tany Nampanantenaina sy ny heviny ara-panahy ho an'ireo izay mitaky ny teny fikasana rehetra ao amin'i Jesôsy. 

*Famerenana ny lesona ny sabata 29 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal