Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FILALAOVANA ANGATRA AMIN'NY ANDRO FARANY: FIZARANA 2

Daty
Alakamisy 06 June 2024

Miorim-paka ao amin'i Kristy ny fanantenantsika ny famonjena. Manasa antsika hanaiky ny sorona natao an-tsitrapo tokoa tamin'ny sandany tsy manam-petra ireo tanany voapentin-dra. Ho avy tsy hoe ela i Kristy hitaky ireo izay Azy. Ny Tit. 2:13 dia miantso ny fiavian'i Kristy fanindroany ho "fanantenana mahafinaritra".

Ny hamotika izany fanantenana izany no tanjon'i Satana. Hanao fahagagana sy famantarana ary zava-mahatalanjona izy, izay rehetra mety hampanalavitra ny olona amin'ny fahamarinana ara-Baiboly sy ny famonjen'i Kristy.

"Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy "- Apôk 14:12. Amin'ny ady farany dia hanao izay rehetra azony atao i Satana hanakanana ny olona tsy hitandrina ny "didin'Andriamanitra" na hanana "ny finoana an'i Jesôsy", na izy roa. Noho izany dia ilaina ny hitandrina amin'ny fampianarana rehetra izay na. dia miaraka amin'ny famantarana sy ny fahagagana aza dia hampihodina antsika amin'ny andaniny na ny ankilany amin'ireo toetra roa ananan'ny zanaka sisa.

Vakio ny Mat. 24:23-27; 2 Kôr. 11:13, 14; sy ny 2 Tes. 2:9-12. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny hery mamitak'i Satana sy ny fomba fiasany?

Hampiasa ny famitahany farany i Satana amin'ny fotoana farany: Sary mampatahotry ny toe-javatra mihoatra ny hery maha-olombelona no hiseho tsy ho ela eny an-danitra, ho vavolombelon'ny herin'ny demonia manao fahagagana. Ho any amin'ireo mpanjakan'ny tany sy ny tany manontolo ireo fanahin'ny demonia hamefy azy ao anatin'ny famitahana sy hanosika azy hiray amin'i Satana amin'ny ady farany ataony amin'ny fitondram-panjakan'ny lanitra. Amin'ny alalan'ireo masoivoho ireo no amitahana ny mpitondra sy ny olom-peheziny amin'izany fomba izany ihany. Hisy olona hitonona ho Kristy hiseho ary hitaky ho an'ny tenany ny voninahitra sy ny fiankohofana mendrika Ilay Mpanavotra izao tontolo izao. Hanao fahagagana fanasitranana mahatalanjona izy ireo ary hilaza ho manana fanambarana avy any an-danitra manohitra izay lazain'ny Soratra Masina.

"Ho fara-tampony amin'ny asa famitahana lehibe dia i Satana mihitsy no hiseho vatana hilaza tena ho Kristy. Efa ela no nilazan’ny fiangonana fa ny fiavian’ny Mpamonjy no andrandrainy ho fanatanterahana ny fanantenany. Izao dia asehon’ilay mpamitaka lehibe fa tonga i Kristy. Amin'ny toerana samihafa eto an-tany dia hiseho amin'ny olona ho toy ny anankiray mitafy voninahitra manjelanjelatra mahajambena i Satana, mova tsy ny Zanak'Andriamanitra araka ny ilazan'i Jaona Azy ao amin'ny Apôkalypsy. Apôkalypsy 1:13-15."-- HM, t. 650.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hahatakarana ny fahamarinana momba ny fomba hiverenan'i Kristy, ary koa ny amin'ny toetran'ny maty mba tsy ho voafitaka? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal