Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FILALAOVANA ANGATRA AMIN'NY ANDRO FARANY: FIZARANA 2

Daty
Alakamisy 06 June 2024

Miorim-paka ao amin'i Kristy ny fanantenantsika ny famonjena. Manasa antsika hanaiky ny sorona natao an-tsitrapo tokoa tamin'ny sandany tsy manam-petra ireo tanany voapentin-dra. Ho avy tsy hoe ela i Kristy hitaky ireo izay Azy. Ny Tit. 2:13 dia miantso ny fiavian'i Kristy fanindroany ho "fanantenana mahafinaritra".

Ny hamotika izany fanantenana izany no tanjon'i Satana. Hanao fahagagana sy famantarana ary zava-mahatalanjona izy, izay rehetra mety hampanalavitra ny olona amin'ny fahamarinana ara-Baiboly sy ny famonjen'i Kristy.

"Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy "- Apôk 14:12. Amin'ny ady farany dia hanao izay rehetra azony atao i Satana hanakanana ny olona tsy hitandrina ny "didin'Andriamanitra" na hanana "ny finoana an'i Jesôsy", na izy roa. Noho izany dia ilaina ny hitandrina amin'ny fampianarana rehetra izay na. dia miaraka amin'ny famantarana sy ny fahagagana aza dia hampihodina antsika amin'ny andaniny na ny ankilany amin'ireo toetra roa ananan'ny zanaka sisa.

Vakio ny Mat. 24:23-27; 2 Kôr. 11:13, 14; sy ny 2 Tes. 2:9-12. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny hery mamitak'i Satana sy ny fomba fiasany?

Hampiasa ny famitahany farany i Satana amin'ny fotoana farany: Sary mampatahotry ny toe-javatra mihoatra ny hery maha-olombelona no hiseho tsy ho ela eny an-danitra, ho vavolombelon'ny herin'ny demonia manao fahagagana. Ho any amin'ireo mpanjakan'ny tany sy ny tany manontolo ireo fanahin'ny demonia hamefy azy ao anatin'ny famitahana sy hanosika azy hiray amin'i Satana amin'ny ady farany ataony amin'ny fitondram-panjakan'ny lanitra. Amin'ny alalan'ireo masoivoho ireo no amitahana ny mpitondra sy ny olom-peheziny amin'izany fomba izany ihany. Hisy olona hitonona ho Kristy hiseho ary hitaky ho an'ny tenany ny voninahitra sy ny fiankohofana mendrika Ilay Mpanavotra izao tontolo izao. Hanao fahagagana fanasitranana mahatalanjona izy ireo ary hilaza ho manana fanambarana avy any an-danitra manohitra izay lazain'ny Soratra Masina.

"Ho fara-tampony amin'ny asa famitahana lehibe dia i Satana mihitsy no hiseho vatana hilaza tena ho Kristy. Efa ela no nilazan’ny fiangonana fa ny fiavian’ny Mpamonjy no andrandrainy ho fanatanterahana ny fanantenany. Izao dia asehon’ilay mpamitaka lehibe fa tonga i Kristy. Amin'ny toerana samihafa eto an-tany dia hiseho amin'ny olona ho toy ny anankiray mitafy voninahitra manjelanjelatra mahajambena i Satana, mova tsy ny Zanak'Andriamanitra araka ny ilazan'i Jaona Azy ao amin'ny Apôkalypsy. Apôkalypsy 1:13-15."-- HM, t. 650.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hahatakarana ny fahamarinana momba ny fomba hiverenan'i Kristy, ary koa ny amin'ny toetran'ny maty mba tsy ho voafitaka? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal