Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy mihetsika tahaka ny tendrombohitr'i Ziona

Daty
Alakamisy 14 March 2024

Vakio ny Sal. 125:1,2. Inona ny sary anehoana ireo izay matoky an'i Jehévah eto?

Ampitahaina amin'ny tendrombohitr'i Ziona ireo izay matoky an'i Jehévah; tandindon’ny hery sy ny fiorenana mafy izany. Ny fahitana ireo tendrombohitra avo manodidina ny tananan‘i Jerosalema no nanentana ny mpanao Salamo hiaiky ny maha-azo antoka ny fiarovan’Andriamanitra (Sal. 5:12; Sal. 32:7, 10). Miteraka fitokiana lalina ny fijoroan'ny tendrombohitra iorenan’i Jerosalema, fa tsy tahaka ireo tendrombohitra eo ambany fanapahan'ny ratsy fanahy izay mifindra ho ao anatin’ny ranomasina (Sal. 46:2). Vao mainka mihamafy ny fitokiana ny fiarovan’Andriamanitra eo anatrehan'ny toe-javatra mahory izay toa andresen’ny ratsy matetika. Kanefa na dia eo anivon’izany faharatsiana izany aza dia azon'ny vahoakan’Andriamanitra atao ny manantena.

Vakio ny Sal. 125:3-5. Ahoana no akana fanahy ny marina? Inona ny lesona ho antsika ao anatin'izany?

Mety hahakivy ny zanak’Andriamanitra ny fahombiazan'ny ratsy fanahy, ary mety hahatonga azy alaim-panahy hanaraka ny lalan‘izy ireo (Sal. 73:2-13; Sal, 94:3). Tsy miaro ireo izay manalavitra an’Andriamanitra ny tendrombohitra mafy orin'i Ziona. Mbola manana fahalalahana ny olona “haninjitra ny tanany hanendry zava-dratsy’ (Sal. 125:3) sy *mivily ho amin‘ny sakeli-dalana mivilivily’ (Sal. 125:5). Manao ny rariny ny Tompo ary hitsara ireo izay mitoetra ao amin'ny fikomiana miaraka amin‘ireo mpanota hafa tsy mibebaka,

lty no fiantsoana ny vahoakan’Andriamanitra hijoro tsara amin'ny finoana sy hatoky an’i Jeh6vah, tahaka ny maha-fialofana tsy mihetsika ho azy ireo ny tendrombohitra Ziona. izany hoe, na dia tsy takatsika aza ny zava-miseho dia mbola azontsika atao hatrany ny matoky ny fahatsaran’Andriamanitra.

“Ny nidiran‘ny fahotana tamin‘izao tontolo izao, ny nahatongavan'i Kristy ho nofo, ny fiteraham-baovao, ny fitsanganana amin‘ny maty ary ny zavatra maro hafa koa aseho ao amin’ny Baiboly, dia zava-miafina lalina loatra, ka tsy takatry ny sain’olombelona hohazavaina, na hoe ho fantatra tanteraka marina akory aza, Nefa tsy misy antony isalasalantsika ny amin‘ny Tenin’Andriamanitra, satria tsy mahafantatra ny zava-miafina ao amin’ny fitondrany isika. (...) Misy zava- mahagaga tsy takatry ny saintsika eny rehetra eny. Ka dia tokony ho gaga ve isika raha mahita fa amin'ny ara-panahy koa dia misy zava-miafina, izay tsy haintsika fantarina velively? Ny fahalemena sy ny fahateren’ny sain'olombelona no tsy ahaizana izany. Andriamanitra efa nanome antsika porofo ampy a0 amin’ny Baiboly ny amin'ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, ka tsy tokony hisalasala ny amin‘ny Tenin’Andriamanitra isika, satria tsy fantatsika ny zave- ‘miafina rehetra ao amin’ ny fitondrany."- DHK, tt. 122, 123.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal