Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toky azo antoka

Daty
Alakamisy 03 October 2024

 "Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria." - Dan. 12:3. 

Mofon'Aina:    
Maro, eny marobe no ho taitra mafy rehefa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny Tompo. Aoka isika hiambina sy hivavaka andrao avy tampoka Izy ka hahita antsika matory. Voahetsika lalina ny ati-fanahiko rehefa mieritreritra ny zavatra rehetra tokony hataontsika ho famonjena ny fanahy very. Ny fitoriantsika ny hafatra fampitandremana no natao hahatanteraka ilay faminanian' i Daniela hoe: "maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana." — Dan. 12:4. (…)

Ny famonjem-panahy no tokony ho laharam-pahamehantsika. Malahelo aho mahita olona maro miravoravo amin'ny harena ara-nofo; zara raha mikatsaka ny harena any an-danitra mantsy ireo izay manan-karena eto amin'izao tontolo izao. Tandindomin-doza ho latsaka amin'ny fakam-panahy sy ho azom-pandrika amin'ny filana feno hadalana sy manimba izy, izay misarika ny olona ho amin'ny fandringanana. (...)

Mila miorina mafy kokoa amin'ny "izao no lazain’i Jehôvah" isika, mba tsy hitoky amin'ny fihetseham-po na hobaikoin'izany. Manasa antsika hitsahatra ao amin'ny fitiavany Andriamanitra. Tombon-tsoantsika ny mahalala ny Tenin'Andriamanitra, izay mpitari-dalana tsy mety diso, voazaha toetra, toky azo antoka. (...) Aoka isika hino sy hatoky, ary ho ambentin-dresatsika ny finoana sy ny fanantenana ary ny herim-po. Aoka ho ao am-pontsika sy eo am-bavantsika, mihoatra lavitra noho teo aloha, ny fiderana an'Andriamanitra. "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy." — Sal. 50:23. (...)

Tombon-tsoantsika ny mitsahatra ao amin'ny finoana miasa sy velona an' i Kristy Mpanome fiainana, ny mahafantatra tsara, miaraka amin'ny olona masina rehetra, izay sakany sy lavany ary ny haavony sy halaliny, ary mahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, ary ny hofenoina amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. (...) Tokony hisaintsaina ny amin'i Jesôsy  mihoatra noho izao isika. (...) Azo antoka fa manana antony marobe hiderana an'Andriamanitra amin'ny fo sy fanahy ary feo isika, manao hoe: "Hidera ny Tompo aho noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany ahy" (...)

Asandrato Izy, i Kristin'i Kalvary; asandratro lzy mba ho afaka hibanjina Azy izao tontolo izao. - UL, t. 37. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal