Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toky azo antoka

Daty
Alakamisy 03 October 2024

 "Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria." - Dan. 12:3. 

Mofon'Aina:    
Maro, eny marobe no ho taitra mafy rehefa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny Tompo. Aoka isika hiambina sy hivavaka andrao avy tampoka Izy ka hahita antsika matory. Voahetsika lalina ny ati-fanahiko rehefa mieritreritra ny zavatra rehetra tokony hataontsika ho famonjena ny fanahy very. Ny fitoriantsika ny hafatra fampitandremana no natao hahatanteraka ilay faminanian' i Daniela hoe: "maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana." — Dan. 12:4. (…)

Ny famonjem-panahy no tokony ho laharam-pahamehantsika. Malahelo aho mahita olona maro miravoravo amin'ny harena ara-nofo; zara raha mikatsaka ny harena any an-danitra mantsy ireo izay manan-karena eto amin'izao tontolo izao. Tandindomin-doza ho latsaka amin'ny fakam-panahy sy ho azom-pandrika amin'ny filana feno hadalana sy manimba izy, izay misarika ny olona ho amin'ny fandringanana. (...)

Mila miorina mafy kokoa amin'ny "izao no lazain’i Jehôvah" isika, mba tsy hitoky amin'ny fihetseham-po na hobaikoin'izany. Manasa antsika hitsahatra ao amin'ny fitiavany Andriamanitra. Tombon-tsoantsika ny mahalala ny Tenin'Andriamanitra, izay mpitari-dalana tsy mety diso, voazaha toetra, toky azo antoka. (...) Aoka isika hino sy hatoky, ary ho ambentin-dresatsika ny finoana sy ny fanantenana ary ny herim-po. Aoka ho ao am-pontsika sy eo am-bavantsika, mihoatra lavitra noho teo aloha, ny fiderana an'Andriamanitra. "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy." — Sal. 50:23. (...)

Tombon-tsoantsika ny mitsahatra ao amin'ny finoana miasa sy velona an' i Kristy Mpanome fiainana, ny mahafantatra tsara, miaraka amin'ny olona masina rehetra, izay sakany sy lavany ary ny haavony sy halaliny, ary mahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, ary ny hofenoina amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. (...) Tokony hisaintsaina ny amin'i Jesôsy  mihoatra noho izao isika. (...) Azo antoka fa manana antony marobe hiderana an'Andriamanitra amin'ny fo sy fanahy ary feo isika, manao hoe: "Hidera ny Tompo aho noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany ahy" (...)

Asandrato Izy, i Kristin'i Kalvary; asandratro lzy mba ho afaka hibanjina Azy izao tontolo izao. - UL, t. 37. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal