Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa fanompoan'ireo anjely

Daty
Alahady 06 October 2024

"Ary Elisa nivavaka hoe: Jehôvah mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehôvah nampahiratra ny mason' ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa." - 2 Mpanj . 6:17.

Mofon’aina:
Vitsy ihany no mba mandinika ny amin'ireo anjely tsy hita maso. Ny asan'ny olona dia na ho an'Andriamanitra, na ho an'i Satana, na ho an'ny Andrianan'ny fahazavana, na ho an'ny andrianan'ny haizina. Liana fatratra amin' izay ataon'ny olombelona, izay toa be raharaha ery kanefa tsy mihevitra ny zava-panahy, ny lanitra manontolo. Tsy misaina ny tenin'Andriamanitra na ny fampianarany izy ireo. Raha mba noraisiny mantsy ny Tenin'Andriamanitra dia ho gaga izy ireo fa misy anjely maro, tsara sy ratsy, manara-maso izay lazainy sy ataony rehetra. Misy azy ireny any amin'ireo fikambanana rehetra mpanao raharaham-barotra, any amin'ny filan-kevitra rehetra, any amin'ny fivoriam-bavaka rehetra. (...) Mpiara-miasa amin'Andriamanitra na amin'i Satana ireo anjely tsy hita maso ireo, ary miasa mafy sy tsy tapaka, mihoatra noho ny ataon'ny olombelona. Indraindray izy ireny no manala ny takona izay manakana ny olombelona tsy hahita ny tontolo tsy hita maso, mba hahafahan'ny saintsika miala amin'ny rotoroto sy ny hazakazaky ny fiainana sy mahazo an-tsaina fa misy mahita ny ataontsika sy lazaintsika rehetra eo am-panaovantsika raharaha, na rehefa mihevi-tena ho irery isika.

Tian'ny Tompo ho takatsika fa ireny anjely mahery mamangy ny tontolo misy antsika ireny dia mandray anjara mavitrika amin'ny asa izay heverintsika fa antsika. Fanahy manompo ireo anjely ireo, ary matetika izy no maka endrika olombelona. (...)

Tonga hanao ny anjarany eto amin'ity fiainana ity izy ireo. Efa nandray fitenenana tao anatin'ny fivoriana izy ireny, namelabelatra ny tantaran'ny olombelona teo anatrehan'ny mpivory, nanatanteraka asa izay tsy hain'ny olombelona atao. Imbetsaka izy ireo no efa jeneraly mpitari-tafika, na koa nirahina handroaka ny areti-mandringana. Efa niara-komana tamin' ireo ankohonana tso-piaina izy ireo, ary matetika no miseho ho toy ny mpandeha lanaky ny dia, mitady fialofana hiatrehana ny alina.

Aoka hazava tsara kokoa ao an-tsaintsika ny asan'ireo anjely mpamangy ireo. - UL, t. 84.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal