Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy: Ohatra iray tonga lafatra ho an'ny rehetra

Daty
Sabotsy 02 November 2024

 "Ary Jesôsy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin 'Andriamanitra sy ny olona." - Lio. 2:52 

Mofon'aina:
Efa lavo ny olombelona. (...) Simban'ny fironany izy ary nihena ny heriny noho ny tsy fankatoavany, ka manjary tsy misy azony antenaina afa-tsy fahoriana sy fahatezerana mirehitra. Nanoritra lalana hialana amin'izany anefa Andriamanitra (...) ary hoy Izy amin'ny olona rehetra: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo." (...)

I Kristy no Môdelintsika. Tonga teto an-tany Izy, ary nandalo tamin'ireo dingana samy hafa amin'ny fanandraman'ny olombelona. Tsy nisy toerana ho an'ny fahotana teo amin'ny fiainany. Izao no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momba Azy: "Ary ny Zaza nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan 'Andriamanitra no tao aminy." - Lio. 2:40. (...)

Tsy niaina mba hanao izay mahafinaritra ny Tenany ny Mpamonjy. (...) Niatrika fizahan-toetra sy fakam-panahy isan'andro Izy, nefa tsy mba resy na kivy. Nanam-paharetana sy fifaliana mandrakariva Izy, ary ireo ory dia niarahaba Azy toy ny mpitondra hafatra mitory fiainana sy fiadanana ary fahasalamana. (...)

Izao no teny fikasan'Andriamanitra: "Ho masina hianareo, satria masina Aho." Fanehoana taratra ny voninahitr 'Andriamanitra ny fahamasinana. Tsy maintsy miara-miasa amin'Andriamanitra anefa isika mba hanehoantsika taratra izany voninahitra izany. Tsy maintsy esorina tsy ho ao am-po sy ao an-tsaina izay rehetra mitarika: ho amin'ny ratsy. Tsy maintsy mamaky sy mianatra ny Tenin'Andriamanitra amin'ny faniriana lalina ny hahazo hery ara-panahy avy amin'izany isika. (...) Ny fanamasinana antsika no tanjon'Andriamanitra ao amin'izay ataony amintsika rehetra. Hatry ny fahagola no nifidianany antsika mba ho masina isika. Hoy i Kristy: "Fa izao no sitrapon 'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo ." -1 Tes. 4:3. Moa ve sitraponao koa ny hampifanarahana ny fanirianao sy ny fironanao amin'ny sitrapon' Andriamanitra? (...)

Ny fiainana ny fiainan'ny Mpamonjy, ny fandresena ny faniriana feno fitiavan-tena, ny fanatanterahana amin-kerim-po sy amim-pifaliana ny adidintsika amin'Andriamanitra sy ireo manodidina antsika - izany no mahatonga antsika hihoatra noho ny mpandresy. Izany no manomana antsika mba hijoro eo anoloan'ilay seza fiandrianana fotsy lehibe tsy hisy pentina na fiketronana (...).- RC, t. 37.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal