Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama ny tena fivavahana marina

Daty
Alahady 10 November 2024

"Làlana mahafinaritra ny làlany, Ary fiadanana ny alehany rehetra." - Ohab. 3:17

Mofon’aina:
Tsy alahelo sy fahoriana avokoa tsy akory izao tontolo izao. "Andriamanitra fitiavana" no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona maha-te ho tia (...), ny voninkazo misoratsoratra (...), ny hazo mijoalajoala ao an'ala (...), ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany. Tsy mitaky ny hamoizan'izy ireo zavatra iray Izy raha toa mahasoa azy indrindra ny hihazonana izany. 

Anankiray amin'ireo fahadisoan-kevitra mamohehatra indrindra ny fiheverana fa manimba ny fahasalamana ny fivavahana. Hoy ny Soratra Masina: "Ny fahatahorana an 'i Jehôvah no ahazoana fiainana" - Ohab. 19:23. "Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiavafihavanana, ka araho izany." - Sal. 34:12-14. (...)

Mampirindra indray ny fihavanan 'ny olona amin'ny adidin'Andriamanitra ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-panahy ny fivavahana marina. Miteraka fifehezan-tena sy fahatoniana ary fahalalana onony izany. Manandratra ny saina (...) ary manamasina ny fahaizana mandanjalanja ny fivavahana. Ahazoan'ny fanahy manandrana mialoha ny fahadiovan'ny lanitra izany. Manamaivana ny enta-mavesatra vokatry ny tabataba sy ny ahiahy mahazo antsika ny finoana an'Andriamanitra sy ny fitondrany lehibe. (...) Mahasalama sy mahalava andro iainana ary mampiravoravo ny fo amin'ny fitahian'ny lanitra rehetra ny fivavahana. Manokatra ny fanahintsika higoka amin' ilay loharanom-pahasambarana tsy mety ritra izany. (...)

Misy firaisana ety eo amin'ny saina sy ny tena, ary mba hahatrarana fenitra ara-pitondran-tena sy ara-pahalalana ambony, dia tsy maintsy hajaina ireo lalàna izay mifehy ny tenantsika. Mba hananana toetra miorina tsara sy mirindra, dia tsy maintsy ampiasaina ny hery ara-tsaina sy ara-batana (...). Inona moa ny siansa manan-danja indrindra mihoatra noho ny fandinihana ity tena mahatalanjona izay nankinin'Andriamanitra hotantanintsika ity, ary koa ireo fitsipika izay tokony harahina mba hitandroana ny fahasalamana? - RC, t. 153. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal