Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama ny tena fivavahana marina

Daty
Alahady 10 November 2024

"Làlana mahafinaritra ny làlany, Ary fiadanana ny alehany rehetra." - Ohab. 3:17

Mofon’aina:
Tsy alahelo sy fahoriana avokoa tsy akory izao tontolo izao. "Andriamanitra fitiavana" no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona maha-te ho tia (...), ny voninkazo misoratsoratra (...), ny hazo mijoalajoala ao an'ala (...), ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany. Tsy mitaky ny hamoizan'izy ireo zavatra iray Izy raha toa mahasoa azy indrindra ny hihazonana izany. 

Anankiray amin'ireo fahadisoan-kevitra mamohehatra indrindra ny fiheverana fa manimba ny fahasalamana ny fivavahana. Hoy ny Soratra Masina: "Ny fahatahorana an 'i Jehôvah no ahazoana fiainana" - Ohab. 19:23. "Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiavafihavanana, ka araho izany." - Sal. 34:12-14. (...)

Mampirindra indray ny fihavanan 'ny olona amin'ny adidin'Andriamanitra ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-panahy ny fivavahana marina. Miteraka fifehezan-tena sy fahatoniana ary fahalalana onony izany. Manandratra ny saina (...) ary manamasina ny fahaizana mandanjalanja ny fivavahana. Ahazoan'ny fanahy manandrana mialoha ny fahadiovan'ny lanitra izany. Manamaivana ny enta-mavesatra vokatry ny tabataba sy ny ahiahy mahazo antsika ny finoana an'Andriamanitra sy ny fitondrany lehibe. (...) Mahasalama sy mahalava andro iainana ary mampiravoravo ny fo amin'ny fitahian'ny lanitra rehetra ny fivavahana. Manokatra ny fanahintsika higoka amin' ilay loharanom-pahasambarana tsy mety ritra izany. (...)

Misy firaisana ety eo amin'ny saina sy ny tena, ary mba hahatrarana fenitra ara-pitondran-tena sy ara-pahalalana ambony, dia tsy maintsy hajaina ireo lalàna izay mifehy ny tenantsika. Mba hananana toetra miorina tsara sy mirindra, dia tsy maintsy ampiasaina ny hery ara-tsaina sy ara-batana (...). Inona moa ny siansa manan-danja indrindra mihoatra noho ny fandinihana ity tena mahatalanjona izay nankinin'Andriamanitra hotantanintsika ity, ary koa ireo fitsipika izay tokony harahina mba hitandroana ny fahasalamana? - RC, t. 153. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal