Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny taratr'ilay Masoandron'ny fahamarinana

Daty
Alatsinainy 18 November 2024

"Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy." - Asa. 5:32 

Mofon’aina:
Tian'Andriamanitra raha manao amim-pahatokiana ny adidiny ny mambran'ny fiangonana tsirairay, tiany ny hahatsapan'izy ireo ny andraikiny, ary tiany ny hanjakan'ny rivo-piainan'ny lanitra ao amin'ny fanahy (...).

Tokony haneho an'i Kristy isika, tahaka ny nanehoan'i Kristy ny Ray. (...) Tsy saronan'i Kristy ny Fahamarinany ny fahotana, fa esoriny aloha ny fahotana ary ataony eo amin'ny toeran' izany ny Fahamarinany. Rehefa voadio ny fahotanao dia ho loha lalanao ny fahamarinan'i Kristy, ary ho vody lalanao ny voninahitr'i Jehôvah . Hiandany tanteraka amin'i Kristy ny hery miasa mangina  avy aminao amin'izay fotoana izay, ary tsy hifantoka amin'ny tenanao intsony ianao fa hanao an'i Kristy ho ivo, dia ho tsapanao fa mpitandrina ny fahamarinana masina ianao. 

Rehefa tsaroanao fa nandoa ny sandan'ny fanavotana anao sy ny hafa tamin'ny Rany i Kristy, dia hanetsika anao izany ka horaisinao ny famirapiratan'ny Fahamarinany mba hanehoanao ny tarany eo amin'ny lalan'ireo manodidina anao. (...) Ilaintsika ny mandray ny Fanahy Masina. (...) Ny Fanahy Masina no Mpampionona izay nampanantenain'i Kristy tamin'ireo mpianany fa hampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nolazainy taminy.

Aoka àry isika tsy hijery ny tenantsika intsony fa hibanjina Ilay mpanome ny fahatsarana rehetra. Tsy misy olona mahay manatsara ny toetrany; tsy maintsy mankeo amin'i Jesôsy araka izay toetsika isika ka maniry tanteraka ny hodiovina amin'ny pentina sy ny lotom-pahotana rehetra ary handray ny fanomezana atolotra antsika - ny Fanahy Masina. (...) Amin'ny finoana velona no tsy maintsy hamikirantsika ny Teny fikasany, satria hoy Izy hoe: "Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon 'ondry fotsy." - Isa. 1:18.

(...) Tokony ho tahaka ny miaramila mahatoky isika, izay mandeha eo ambanin'ny faneva voapentin-dran'ilay Imanoela Andriana. (...) Fantatr'Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika ny drafitry ny ady ka hanoatra noho mpandresy isika amin'ny alalany. - RC, t. 213.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal