Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampirisiho ny toe-tsain'ny fahamoram-panahy

Daty
Alakamisy 21 November 2024

"Tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra." - Tit. 3:2 

Mofon’aina:
Firifiry amin’ireo mpiasa mahasoa sy omen-kaja ao amin'ny raharahan'Andriamanitra no nofanina tao anatin'ny adidy feno fahatsoran'ny sarangam-piainana ambany indrindra! (...) Teo am-pamoloana no nakana an'i Gideôna mba ho tonga fitaovana nampiasain'Andriamanitra hanafaka ny tafik'Isiraely. Nasaina nandao ny ombiny i Elisa mba hanompo an' Andriamanitra. (…)

Asa mafy sy tsy mahafinaritra loatra no asaina tanterahin'ireo rehetra tonga mpiara-miasa amin'i Kristy, ary ny lesona ampianarina azy dia voafidy amim-pahendrena sy mifanaraka tsara amin'ny toetrany manokana sy ny toetry ny asa hampanaovina azy.

(...) Ilain'izay rehetra omena andraikitra mba hanabe sy hanofana ny tanora ny manakaiky indrindra an'ilay Mpampianatra lehibe, mba hianarany ny toe-tsainy sy ny fomba fiasany. Maro ny lesona tokony homena ny tanora, izay hisy fiantraikany eo amin'ny toetrany sy ny asany eo amin'ny fiainana. 

Tokony hampianarina azy ireo fa tsy azon'ny filazantsaran'i Kristy ekena ny toe-tsain'ny fanavakavahana; tsy omeny toerana ny fitsarana ny hafa amin-karatsiam-panahy izay mitarika ho amin'ny fanandratan-tena. Tsy mba manambany na oviana na oviana izay mandray azy ny fivavahan'i Jesôsy na mahatonga azy ho mpitratrevatreva; tsy mahatonga azy ho ratsy fanahy kokoa amin'ny fisainana sy ny fihetseham-po manoloana ireo nanoloran'i Kristy ny ainy izany (...)

(...) Ratsy ny zavatra rehetra izay mandrisika ny fanakianana miiba, ny toetra mpitsikera sy mpitsongoloka ny fahadisoan'ny hafa sy ny kilemany. Manome laka ny tsy fitokiana izany, izay mifanohitra amin'ny toetran'i Kristy, ary manimba ny saina. Ireo izay manao izany dia miala tsikelikely amin'ny tena toe-tsaina kristianina.

Ny fanabeazana manan-danja sy maharitra indrindra dia izay mampivelatra ny toetra tena mendrika, izay handrisika ny toe-tsain'ny fahamoram-panahy, izay hahatonga ny tanora tsy hisaina ratsy momba ny hafa fandrao izy ireo hanao fitsarana diso momba ny antony manosika ny hafa sy handika vilana ny teny sy ny asa ataony. Hitondra vokatra ho any amin'ny fiainana mandrakizay ny fotoana atokana ho amin'ny fampianarana tahaka izany. - RC, t. 276. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal