Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny valisoa mandrakizain'ny fanatrarana ny hafa.

Daty
Zoma 22 November 2024

"Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa hianao amin'ny fitsanganan'ny marina." - Lio. 14:13,14.

Mofon’aina:

Valisoan'ireo mpiasan'i Kristy ny miditra amin'ny Fifaliany. Hita ao amin'ny Fangatahana nataon'i Kristy tamin-dRainy, "tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy", izany fifaliana izay andrandrainy fatratra izany.

Niandry an'i Jesôsy mba hiarahaba Azy ireo anjely rehefa niakatra ho any an-danitra taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty Izy. (...) Nihazakazaka hanodidina Azy ireo raha niditra ny vavahadin'ny lanitra Izy nefa nampiandrasany aloha izy ireo. Mbola niray fo tamin'ireo andiana mpianatra manirery sy ory izay nilaozany (...) Izy. 

Vatosoan'i Kristy ireo voavotra, hareny sarobidy sy tsy manam-paharoa. "Toy ny vaton-tsatro-boninahitra mamirapiratra" izy ireo (Zak. 9:16). "Haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina" - Efes. 1:18. Ao amin'izy ireo no hahitany ny "fisasaran'ny fanahiny (...) ka ho afa-po" Izy (Isa. 53:11).

(...) Ny fanetsehan'ny Fanahy Masina izay nitarika ny olona ho amin'ny tsara sy hankeo amin'Andriamanitra dia voamarika ao amin'ny bokin'ny lanitra. Ary amin'ny andron'i Jehôvah, izay rehetra nanolo-tena ho fitaovana hampiasain'ny Fanahy Masina dia havela hahita ny vokatry ny asany (...).

(...) Hanao ahoana re ny fankasitrahan'ireo fanahy maro hahita antsika any an-dapan'ny lanitra rehefa ho takany ny fahalianana (...) momba ny famonjena azy! Homena an'Andriamanitra sy ilay Zanak' ondrin'Andriamanitra ny dera sy ny haja ary ny voninahitra rehetra noho ny fanavotany antsika, kanefa tsy manaisotra ny voninahitr 'Andriamanitra tsy akory ny fanehoana fankasitrahana ny fitaovana nampiasainy ho famonjena ireo fanahy izay saika very.

Hifankahita ny voavonjy ary hahatadidy ireo olona natodiny ho amin' ilay Mpamonjy nasandratra. Hanao ahoana re ny hamamin'ny resaka hifanaovany amin'ireny fanahy ireny, (...). "Mpanota aho fahiny" izany no teny ho re avy aminy,nanatona ahy hianao ka nampitodika ny fisainako tamin’ilay mpamonjy sarobidy izay hany fanantenana ho ahy. Ary nino azy aho." (...)  Endrey izany fifaliana rehefa hifankahita ireo voavonjy ary hiarahaba ireo izay nitondra enta-mavesatra noho ny aminy! - RC, t. 257.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal