Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny fitiavan'i Kristy

Daty
Alahady 24 November 2024

"Ary hoy indray Jesôsy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa." - Jao. 20:21 

Mofon’aina:
Aoka hokatsahintsika amin'ny fontsika manontolo ny hahalala sy hankamamy ny fahamarinana mba hanehoantsika izany amin'ny hafa, araka izay toetr'izany ao amin'i Jesôsy. (...) Ilaintsika ny mikatsaka ny hahalala ny lalan'Andriamanitra sy hiasa mifanohitra amin'ny fitiavan-tena, ary ny vavaka tokony hataontsika tsy ankijanona dia ny hananantsika ny sain' i Kristy (...). Ny fibanjinana an' i Jesôsy sy ny toetrany maha-te ho tia no hahatonga antsika ho voaova hanahaka ny Endriny. Homeny fahasoavana izay rehetra mitandrina ny lalàny, sy manao ny sitrapony ary mandeha amin'ny fahamarinana. (...)

 Iangaviako ianareo izay manana ny anaranareo voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiangonana amin'ny maha-mambra mendrika, mba ho mendrika tokoa, noho ny fahamarinan'i Kristy. Ny famindram-po sy ny fahamarinana ary ny fitiavan'Andriamanitra no ampanantenaina ny olona manetry tena sy torotoro fo. (...)

Talanjona ny lanitra manontolo, raha mahita ny olona tsy miraika sy mangatsiaka ary tsy rototra eo anatrehan'izany fitiavana izany (...). 

Efa nangonina hatry ny ela ny haren'ny fahamarinana tsy manam-petra. Tsy misy fanehoana mety mahalaza ny habetsany sy ny velaran'izany harena izany. Miandry ny fangatahan'ireo izay tia azy izany (...). Ireo vahoakan'Andriamanitra sisa no tokony hanangona ireo vatosoan'ny fahamarinana ireo ary hanome izany ho an'izao tontolo izao. Ny fanahy matoky tena sy mafy hatoka kosa dia mandà tsy handray izany harena izany. "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." -Jao. 3:16. Tsy hay refesina io fitiavana io, ary tsy misy teny mahalaza azy. (...) Fitiavana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra izany. (...)

Irin'Andriamanitra ny hifankatiavan'ireo vahoakany tahaka ny itiavan'i Kristy antsika. Asainy manabe sy manofana ny fanahy ho amin'izany fitiavana izany izy ireo. (...) Aoka haneho ny fahatanterahan'i Kristy amin'izao tontolo izao ireo izay efa tonga mpandray anjara amin'ny fahasoavany. Tokony hanao izay nataon'i Kristy ho an'ny Ray izy ireo - maneho ny Toetrany. - RC, t. 290. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal