Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery ny toetra tsara

Daty
Alatsinainy 25 November 2024

  "Aoka isika hanana fihavanana amin 'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin 'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin 'ny fanantenana ny voninahitr 'Andriamanitra." - Rôm. 5:1,2 

Mofon’aina:
Tsy nanome toky tsy akory i Kristy fa zavatra mora ny hahatrarana ny   fahatanterahan'ny toetra amam-panahy. (...) Ny toetra amam-panahy ambony dia azo noho ny fiezahan'ny tena manokana amin'ny alalan'ny fahamendrehana sy ny fahasoavan'i Kristy. Manome antsika ny talenta sy ny fahaizana Andriamanitra; anjarantsika ny mamolavola ny toetra amam-panahy. (...) Tolona tsy an-kijanona no enti-miady amin'ireo fironana nolovaina. Tokony hodinihintsika akaiky ny tenantsika ka tsy avelantsika hisy lafiny iray tsy ho voahitsy. (...)

 (...) Hanampy ny olona izay mikatsaka amin'ny finoana tsy azo hozongozonina izany fahatanterahan'ny toetra amam-panahy izany ireo anjelin'ny lanitra, dia ireo izay hahatratra ny fahatanterahana eo amin'ny fampiasana azy. Hoy i Kristy amin'izay rehetra mirotsaka eo amin'izany asa izany: "eo ankavananao hanampy anao Aho.

Rehefa miara-miasa amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapon'ny olona, dia manan-kery indrindra zany. Na inona na inona tokony hata, noho ny baikony, dia mety ho tanteraka noho ny heriny. Ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa. 

(...) Ny fanehoantsika eo amin'ny fiainantsika ny toetra amam-panahin'i Kristy, dia fiarahantsika miasa Aminy eo amin'ny asa famonjem-panahy. (...) Ary arakaraka ny maha-lehibe ny faritra hiasan'ny hery avy amintsika ny habetsahan'ny soa mety ho vitantsika. (…) 

Tsy fantatsika izay vokatra hoentin'ny andro iray, ny ora iray, ny fotoana kely iray, ka na oviana na oviana dia tsy manomboka andro iray isika raha tsy manankina ny lalantsika amin'ny Raintsika any an-danitra. Voatendry hiambina antsika ny anjely, ka raha mitoetra eo amin'ny fiambenany isika, dia ho eo an-kavanantsika izy ireo amin'ny fotoana rehetra misy loza. Rehefa tandindomin-doza tsy fantatsika isika hampiasa hery mitarika ho amin'ny ratsy, dia ho eo anilantsika ireo anjely ireo, hanosika antsika ho amin'ny lalana tsaratsara kokoa, hifidy ny teny hataontsika ho antsika sy hitantana izay hataontsika. (...) - RC, t. 298. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal