"Ary aza misy manao sarotra hianareo, fa matahora an 'Andriamanitrao; fa Izaho no Jehôvah Andriamanitrareo." - Lev. 25:17.
Mofon’aina
Tandindomin-doza hanao faha-disoana goavana ianao eo amin'ny fifanekena ara-barotra ataonao. Mampitandrina anao Andriamanitra mba hiambina andrao hampanaram-po ny toe-tsain'ny fanararaotana ho fanangonan-karena. Mitandrema mba tsy hikolokolo hafetsen-dratsy, satria tsy hahajoro eo anatrehan'ny fitsaran'Andriamanitra izany. (...) Raha ataonao eo anatrehanao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary koa ao am-ponao ny fitiavana Azy, dia ho voaro ianao.
Tsara lavitra ny mahazo tombony kely toy izay hikolokolo ny toe-tsain'ny fieremana ka hahatonga izany ho zary toetra. Tsy mendrika ny Kristianina ny fahambanian-toetra. (...) Tsy ho hitantsika mandrakariva ireo lafin-toetra ratsintsika na dia mety hiharihary eo imason'ny hafa aza; nefa azo antoka fa hizaha toetra antsika ny fotoana sy ny toe-javatra ka hampiharihary ny tena volamena na koa hampiseho ny varahina. (...)
Mampiseho kileman-toetra ny fisainana ambany sy ny fanao ratsy rehetra. Tokony hoentina hamboarin'ny fandraka sy ny tantanana ao amin'ny trano fiasana lehiben'Andriamanitra ireo toetra marokoroko ireo, ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tsy maintsy mandamalama sy manadio antsika, izay isika vao vonona hakatoerana ao amin'ny tempoly be voninahitra.
Azon' Andriamanitra atao ny hahatonga ireo mpitarika ao amin'ny fiangonantsika ireo ho sarobidy kokoa noho ny volamena tsara, (...) raha toa izy ireo manaiky hilefitra eo ambanin'ny Tanany izay manova azy. Tokony hanapa-kevitra ny hampiasa ny fahaiza-manao ambony indrindra ananany izy ary hanararaotra ny fotoana tsirairay avy. Ny Tenin'Andriamanitra no tokony hohalalininy sy hataony mpitari-dalapa azy eo amin'ny fanapahan-keviny mikasika izay ambony sy tsara indrindra amin'ny toe-javatra rehetra. (...)
Amin'ny toe-javatra maro, dia kely foana no ataon'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny lehilahy sy ny vehivavy nandalim-pahaizana, noho izy ireo tsy mahatsapa ny izany ny fiankinana amin' ilay Loharanon'ny fahendrena rehetra. Araka izany, aorian 'ny fizahan-toetra iray, dia soloany olona manana talenta latsaka kokoa izy ireny, olona izay nianatra ny niantehitra Aminy, olona izay manam-panahy nohatanjahin'ny fahatsaram-po sy ny fahamarinana ary ny fahatokiana tsy azo hozongozonina, ary olona izay tsy hanaiky ho resin'ny zavatra izay mety hampisy pentina ny fahitsian-toetrany. - TFC, b. 4, tt. 540,541.