Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy maintsy mifehy antsika ny fitsipiky ny filazantsara.

Daty
Talata 10 June 2025

 "Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ny aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?" - Lio. 13:7.

Mofon’aina:
Rehefa ao am-po ny fitiavana an'i Kristy, dia hihevitra amim-pitiavana ny tombontsoan'ny hafa ny tsirairay. Tsy hifanambaka ny mpirahalahy sy ny mpirahavavy eo amin'ny raharaha ara-barotra ataony. Tsy hangataka zana-bola mihoapampana izy satria hitany ireo rahalahiny sy anabaviny ao anatin'ny toe-java-tsarotra ilany fanampiana.

Ireo izay manararaotra ny fahantran'ny hafa dia maneho fa tsy mifehy azy ny fitsipiky ny filazantsaran'i Kristy. Voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra tahaka ny halatra sy fanambakana ny asan'izy ireo. Ary na aiza na aiza anjakan'ireo foto-kevitra ireo, dia tsy hiditra ao am-po mihitsy ny fitahian'ny Tompo. (...) Ireo izay handova ny fanjakan'ny lanitra kosa dia tsy maintsy hovan'ny fahasoavan'Andriamanitra. Tsy maintsy ho madio am-po izy ireo sy manana fiainana madio ary manana toetra mahitsy. (...)

Tsy ampy hanavotana ny fanahinao ny harena rehetra mety hovorinao, na dia an-tapitrisa aza, koa aza mitoetra ao amin'ny tsy fibebahana sy ny tsy finoana, ary (...) aza toherina ny fikasan'Andriamanitra feno fahasoavana. Aza terena ny Tanany hahatonga faharavana amin'ny fanananao sy fahoriana amin'ny tenanao. 

Firifiry ankehitriny no manaraka lalana iray izay, rehefa ela ny ela, dia hitondra ho amin'ny fiavian'ny fitsarana tahaka izany. (...) Ampiasainy ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany irery ihany ny hery miasa mangina avy aminy sy ny harena izay nangoniny avy tamin'ny fahaiza-manao sy ny talenta nomen'Andriamanitra azy, ary tsy mieritreritra momba ilay Mpanisy soa azy be fitiavana izy. Tsy misy na inona na inona averiny amin'ilay Mpanome. (...)

Nony farany, dia tapitra ny fahari-pon'Andriamanitra manoloana ireny mpitantam-pananana tsy mahatoky ireny ka foanany ny tetikasa feno fitiavan-tenan'izy ireo (...). Asehony azy fa azony atao ny mandevona izay nangonin'izy ireo ho voninahitry ny tenany, ary asehony koa fa tsy manan-kery hoenti-manohitra ny fahefany sy ny heriny izy ireo. - TFC, b. 5, tt. 350, 351.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal