"Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ny aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?" - Lio. 13:7.
Mofon’aina:
Rehefa ao am-po ny fitiavana an'i Kristy, dia hihevitra amim-pitiavana ny tombontsoan'ny hafa ny tsirairay. Tsy hifanambaka ny mpirahalahy sy ny mpirahavavy eo amin'ny raharaha ara-barotra ataony. Tsy hangataka zana-bola mihoapampana izy satria hitany ireo rahalahiny sy anabaviny ao anatin'ny toe-java-tsarotra ilany fanampiana.
Ireo izay manararaotra ny fahantran'ny hafa dia maneho fa tsy mifehy azy ny fitsipiky ny filazantsaran'i Kristy. Voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra tahaka ny halatra sy fanambakana ny asan'izy ireo. Ary na aiza na aiza anjakan'ireo foto-kevitra ireo, dia tsy hiditra ao am-po mihitsy ny fitahian'ny Tompo. (...) Ireo izay handova ny fanjakan'ny lanitra kosa dia tsy maintsy hovan'ny fahasoavan'Andriamanitra. Tsy maintsy ho madio am-po izy ireo sy manana fiainana madio ary manana toetra mahitsy. (...)
Tsy ampy hanavotana ny fanahinao ny harena rehetra mety hovorinao, na dia an-tapitrisa aza, koa aza mitoetra ao amin'ny tsy fibebahana sy ny tsy finoana, ary (...) aza toherina ny fikasan'Andriamanitra feno fahasoavana. Aza terena ny Tanany hahatonga faharavana amin'ny fanananao sy fahoriana amin'ny tenanao.
Firifiry ankehitriny no manaraka lalana iray izay, rehefa ela ny ela, dia hitondra ho amin'ny fiavian'ny fitsarana tahaka izany. (...) Ampiasainy ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany irery ihany ny hery miasa mangina avy aminy sy ny harena izay nangoniny avy tamin'ny fahaiza-manao sy ny talenta nomen'Andriamanitra azy, ary tsy mieritreritra momba ilay Mpanisy soa azy be fitiavana izy. Tsy misy na inona na inona averiny amin'ilay Mpanome. (...)
Nony farany, dia tapitra ny fahari-pon'Andriamanitra manoloana ireny mpitantam-pananana tsy mahatoky ireny ka foanany ny tetikasa feno fitiavan-tenan'izy ireo (...). Asehony azy fa azony atao ny mandevona izay nangonin'izy ireo ho voninahitry ny tenany, ary asehony koa fa tsy manan-kery hoenti-manohitra ny fahefany sy ny heriny izy ireo. - TFC, b. 5, tt. 350, 351.