Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mametraka ireo laharam-pahamehana.

Daty
Alakamisy 19 June 2025

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." - Mat. 6:33.

Mofon’aina:
Eo ankavia sy ankavanana dia misy maka fanahy ny Kristianina mba hialany amin'ny lalan-tery, nefa ireo izay te hanefy ny toetrany ho mendrika ny mandrakizay dia tsy maintsy mandray ny sitrapon'Andriamanitra ho fenitra tokony hotratrariny ka mihataka tanteraka amin'izay rehetra tsy Sitrany. An'arivony maro no voatarika hanota noho ny famelany ny mandan'ny fony tsy ho voambina. ( ...) Mihazakazaka ho amin'ny fiantoham-barotra izy ireo mba hanangonana haren'ny tany bebe kokoa. Amin'izany no ipetrahany eo amin'ny toerana tsy hahitany fandrosoana eo amin'ny fiainana maha-Kristianina. "(...) koa hendre ka mahonema tena ho am in 'ny fivavahana." - 1 Pet. 4:7b. (...)

"Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray." - 1 Jao. 2:15. (...) Etsy ankilan'izany, dia tokony hankatò izao fitsipika izao isika: "Mazotoa, fa aza malaina" - Rôm. 12:11 a. Asaina miasa isika mba hahafahantsika manome ho an'ny sahirana. Tsy irin'Andriamanitra ny hamelana ny fahaiza-manao sy ny herintsika ho harafesina noho ny tsy fiasana. (...) 

Matetika anefa ny Kristianina  no mamela ny fiahiahiana momba izao fiainana izao haka ny fotoana izay an'Andriamanitra. Manokana ny fotoana sarobidy ananany ho amin'ny asa aman-draharaha na ny fialamboly izy. Ny heriny manontolo dia ampiasainy amin'ny fanangonana ny haren'ny tany. (...) 

Maro amin'ireo mitonona ho Kristianina no mitandrina mba hitondra ny mariky ny fahitsiana tanteraka ny raharaha ara-barotra ataony nefa tsy fahatokiana no hita eo amin'ny fifandraisa ny amin'Andriamanitra. Revo amin'ny raharahan'izao tontolo izao izy ka tsy mahatanteraka ny adidy tokony hefainy amin'ireo manodidina azy. Tsy voataiza ao amin'ny fikolokoloana sy ny fananaran'ny Tompo ny zanany. Atao tsirambina ny alitaran'ny mpianakavy ary hadino ny fanoloran-tena manokana. Tsy ataony lohalaharana ny momba ny mandrakizay fa ataony ambinambin-javatra. Voaroba Andriamanitra satria izao tontolo izao no iantefan'ny eritreriny mamy indrindra ( ...). - ST, 17 Desambra 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal