Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka ny kristianina hahitsy mandrakariva.

Daty
Zoma 20 June 2025

"Ary hoy Jesôsy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra." Lio. 16:15.

Mofon’aina:
Tokony hazonina eo amin'ny lafim-piainana rehetra ny fitsipika hentitry ny fahatokiana. Tsy ireo no fitsipika mifehy ity tontolontsika ity, satria i Satana — ilay mpamitaka sy mpandainga ary mpampahory - no tompony, ary manaraka azy sy manatanteraka ny fikasany ireo mpanompony. Tompo hafa kosa no tompoin'ny Kristianina, ary ao amin'Andriamanitra no tsy maintsy anatanterahany ny asany (...). 

Mety ho zava-madinika no fahitan' ny olona sasany ny fiviliana kely amin 'ny fahitsiana tanteraka eo amin'ny fandraharahana, saingy tsy tahaka izany ny fijerin'ny Mpamonjintsika. Miavaka tsara sy mazava ny teniny momba izany: "Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be" -Lio. 16:10. (...)

 Mahatahotra tokoa ny fahabetsahan' ny fanambakana miseho eo amin'ny tontolo kristianina ankehitriny. (...) Ny fomba fanao tsy mahatoky izay manimba ny fifandraisan'ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ireo olombelona namany dia tsy tokony hataon'ireo mitonona ho mpino ny fahamarinana ankehitriny na oviana na oviana. Mampidi-doza lehibe amin'ny fahamarinana ny vahoakan'Andriamanitra rehefa miala kely amin'ny lalan'ny fahitsiana.

Mety tsy ho tsara ny fisehoana ivelan'ny olona sasany, mety hanana kilema amin'ny lafiny maro izy, saingy hohajain'ny olona izy raha toa tsara laza amin'ny fananana fahitsiana mafy orina. (...) Hahazo ny fitokisan' ny rehetra ireo izay mijoro amin'ny fahamarinana ka tsy azo hozongozonina. Tsy ireo mpino namany ihany no hatoky azy fa na ireo tsy mpino koa aza dia voatery hiaiky ny maha-olo-mendrika azy. - MCP, b. 2, t. 437. 

Tsy maintsy mifandray amin'izao tontolo izao ireo mpanompon' Andriamanitra noho ny fandraharahana ataony, saingy tokony hotsarovany eo am-pividianana sy eo am-pivarotana fa manara-maso azy Andriamanitra. Aoka izy tsy hampiasa mizana mandainga na ny vato samy hafa, satria fahavetavetana eo imason'i Jehôvah izany [Ohab. 20:23]. Aoka ho araka izay iriny hosainin'ny mpianakavin'ny finoana momba azy ny Kristianina eo amin'ny raharaham-barotra rehetra ataony, ary aoka ny asany rehetra hofehezin'ny fitsipika mazava. Tsy manao teti-dra-tsy izy ka tsy manan-javatra hafenina na hosarontsaronana. - MCP, b. 2, tt. 437,438.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal