Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manehoa fitiavana eo am-panaovana ny Asany.

Daty
Sabotsy 21 June 2025

"Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra." - Mpitt. 10:1.

Mofon’aina:
Miantso ireo anadahy sy rahavavy ao amin'ny finoana aho ary mananatra azy ireo mba hikolokolo ny fahalemem-panahy. Na inona na inona toerana niantsoana anao, dia tsy hahafaly ny Tompo ianao raha toa mankamamy ny fitiavan-tena sy ny fieremana. Aoka tsy ataonao ho fialan-tsiny amin'ny fitiavan-tena sy ny tsy fanaovana ny rariny manoloana ny hafa ny raharahan'Andtiamanitra (...). Tsy hankasitrahan'Andriamanitra mihitsy ny hitondrana tombom-barotra azo avy tamin'ny fifampiraharahana feno fitiavan-tena ho ao amin'ny trano firaketany.

 Tokony hilefitra eo ambany fanaraha-mason'ny lanitra ny asa atao rehetra mifandraika amin'ny Asany. Ny fifanaraham-barotra rehetra misy hafetsifetsena, ny fanararaotana ireo olona tsy afa-manoatra noho ny zava-misy, ny tetika rehetra hividianana ny taniny na ny fananany amin'ny vidiny ambanin'izay tokony ho izy, dia tsy ankasitrahan' Andriamanitra, na dia hatolotra ho fanatitra hanohanana ny Asany aza ny tombony avy amin'izany. Naloa ho an 'ny olombelona rehetra ny sandan'ny ran' ilay Zanaka Lahitokan' Andriamanitra, ka zava-dehibe indrindra ny fahatokiana eo amin'ny fifampiraharahana ara-barotra sy ny fitondrana ny olon-drehetra ara-drariny, mba hanatanterahana ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra. (... )

 Raha misy anadahy na rahavavy niasa mafy tamin'ny fo sy tsy tamim-pitiavan-tena ho an'ny raharahan'Andriamanitra nefa tonga malemy sy tsy afa-miasa, aoka izy tsy horoahina na koa avela hitady fivelomana araka izay azony atao. Omeo karama sahaza mba hahazoany mivelona izy, satria aza hadinoina fa anisan'ny ankohonan'Andriamanitra izy ary mpiray tampo avokoa ianareo. (...)

 Omena baiko mba ho tia ny namana tahaka ny tena isika. Tsy ny fitiavana ireo izay manana fisainana tahaka ny antsika sy mino izay inoantsika ihany no fonosin'izany baiko izany. Tao amin'ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy no nanehoan'i Kristy ny hevitr'io didy io. Manao ahoana anefa no anaovantsika tsirambina ireny teny sarobidy ireny, ary matetika manao ahoana no ampahorian'ny olona ny namany sy anandratany ny fanahiny ho amin'ny zava-poana. - RH, 18 Desambra 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal