Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Saino ny hoavy mandrakizay eo am-panaovana drafitra.

Daty
Sabotsy 28 June 2025

«Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.» - 1 Tim. 4:8.

Mofon’aina:
Ny mombamomba ny fitantanam-pananana rehetra, ny tsipirian'ny varotra rehetra, dia tsy misy miafina eo anatrehan'ireo mpanara-maso tsy hita maso, izay tsy mba manao marimaritra iraisana amin'ny tsy fahamarinana, tsy mandefitra ny faharatsiana, ary tsy manamaivamaivana ny fahadisoana.

Manonona fanamelohana ho an'ny mpanao ratsy rehetra ny lalàn'Andriamanitra. Mety hanao tsinontsinona izany feo izany izy ireo, mety hitady izay fomba hampanginana ny fampitandremana izy, saingy tsy hisy vokany izany. Manaraka azy hatrany izany, reny mandrakariva, ary tsy mampandry saina azy. Raha tsy henoiny izany dia hanaraka azy na hatrany am-pasana aza. Ho vavolombelona hanameloka eo anatrehan'ny fitsarana azy izany. Ary afo mandevona no handany ny tenany sy ny fanahiny amin'ny farany.

"Fa inona no soa azon 'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Fa inona no homen'ny olona ho tak-alon'ny ainy? " - Mar. 8:36,37.

Tokony hoheverin'ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, sy ny mpianatra rehetra io fanontaniana io, izany hoe ny olombelona rehetra na antitra na tanora. Tsy mety haharitra na ho tanteraka velively ny drafitr 'asa na ny fikasana eo amin'ny fiainana raha toa ka mifantoka fotsiny amin'ny eto an-tany sy ny ankehitriny, izay mandalo ihany, ka tsy mitsinjo ny hoavy mandrakizay. Aoka ny tanora hampianarina hihevitra ny mandrakizainy. Aoka izy ireo hampianarina hisafidy hanaraka fitsipika sy hikatsaka harena maharitra, ka hihary "harena any an-danitra dia tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba", ho an'ny tenany. — Fk, tt. 157,158.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal