Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Meteza hampiasain'ny Fanahy.

Daty
Alakamisy 31 July 2025

"Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao." — Apôk. 15:3,4.

Mofon’aina:
Hanetsika ny olona ambanimbany saranga Andriamanitra mba hanambara ny hafatry ny fahamarinana ankehitriny. Ho hita ho dodona etsy sy eroa ny maro amin'izy ireny, izay asesiky ny Fanahin'Andriamanitra mba hanome fahazavana ho an'ireo izay ao amin'ny aizina. (...) Maro, eny, fa na dia amin'ireo tsy nahita fianarana aza, no hanambara ny tenin'ny Tompo. Hampirisihin'ny Fanahy Masina ny ankizy mba handeha hanambara ny hafatry ny lanitra. Homena mitafotafo ho an'ireo maniry mafy ny hahazo ny hafatra avy Aminy ny Fanahy Masina. Hirotsaka ho anisan'ny tafik'Andriamanitra izy ireo amin'ny famahana ny fatoran'ny lalàn'ny olona sy ny fihetsiketsehana feno fahamalinana ataony.

Ho avy ny fotoana, ireo olon-tsotra eo amin'ny fiarahamonina dia hampirisihin'ny Fanahin'ny Tompo handao ny asa fanaony andavanandro mba handeha hanambara ny hafa-pamindrampo farany. Ho tafaomana faingana hanao ny asa izy ireo ka fahombiazana no hamarana ny ezaka hataony. Miara-miasa amin'ny iraky ny lanitra izy satria vonona ny handany ny fahafaha-manaony sy ny momba azy ho amin'ny fanompoana ny Tompo. Tsy misy azo havela hisakana ireo mpiasa ireo. Homena hafainganam-pandeha manokana avy amin'Andriamanitra izy ireo eny am-pandehanana hamita ny iraka lehibe. (...)

Tsy azo vidina na hamidy ireo zava-tsoa indrindra amin'ny fiainana, dia ny fahatsorana, ny fahamarinan-toetra, ny fahamarinana, ny fahadiovana ary ny fahatokiana madio. Omena maimaimpoana ho an'ny bado sy ny avara-pianarana izany, ho an'ny mainty fihodirana sy ny fotsy fihodirana, ho an'ny tambanivohitra tso-piaina sy ny mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianany.

Ny mpiasa manetry tena, izay tsy mitoky amin'ny herin'ny tenany fa miasa amim-pahatsorana sady mitoky mandrakariva amin'Andriamanitra no hiray fifaliana amin'ny Mpamonjy. Ny fivavahany maharitra no h itaona ny fanahy ho eo amin'ny hazo fijaliana. Miara-miasa amin'ny ezaka feno fahafoizan-tena i Jesôsy eo amin'ny fanetsehany ny fo maro ka hanao fahagagana eo amin'ny fitaomana ny fanahy hibebaka Izy amin'izany. Hivondrona ao amin'ny firahalahian'ny fiangonana ny lehilahy sy ny vehivavy maro. Trano fioriana sy sekoly maro no hatsangana. Ho heniky ny fifaliana ny fon'ny mpiasa rehefa mahita ny famonjen'Andriamanitra. — TFC 7:26-28. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal