Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Meteza hampiasain'ny Fanahy.

Daty
Alakamisy 31 July 2025

"Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao." — Apôk. 15:3,4.

Mofon’aina:
Hanetsika ny olona ambanimbany saranga Andriamanitra mba hanambara ny hafatry ny fahamarinana ankehitriny. Ho hita ho dodona etsy sy eroa ny maro amin'izy ireny, izay asesiky ny Fanahin'Andriamanitra mba hanome fahazavana ho an'ireo izay ao amin'ny aizina. (...) Maro, eny, fa na dia amin'ireo tsy nahita fianarana aza, no hanambara ny tenin'ny Tompo. Hampirisihin'ny Fanahy Masina ny ankizy mba handeha hanambara ny hafatry ny lanitra. Homena mitafotafo ho an'ireo maniry mafy ny hahazo ny hafatra avy Aminy ny Fanahy Masina. Hirotsaka ho anisan'ny tafik'Andriamanitra izy ireo amin'ny famahana ny fatoran'ny lalàn'ny olona sy ny fihetsiketsehana feno fahamalinana ataony.

Ho avy ny fotoana, ireo olon-tsotra eo amin'ny fiarahamonina dia hampirisihin'ny Fanahin'ny Tompo handao ny asa fanaony andavanandro mba handeha hanambara ny hafa-pamindrampo farany. Ho tafaomana faingana hanao ny asa izy ireo ka fahombiazana no hamarana ny ezaka hataony. Miara-miasa amin'ny iraky ny lanitra izy satria vonona ny handany ny fahafaha-manaony sy ny momba azy ho amin'ny fanompoana ny Tompo. Tsy misy azo havela hisakana ireo mpiasa ireo. Homena hafainganam-pandeha manokana avy amin'Andriamanitra izy ireo eny am-pandehanana hamita ny iraka lehibe. (...)

Tsy azo vidina na hamidy ireo zava-tsoa indrindra amin'ny fiainana, dia ny fahatsorana, ny fahamarinan-toetra, ny fahamarinana, ny fahadiovana ary ny fahatokiana madio. Omena maimaimpoana ho an'ny bado sy ny avara-pianarana izany, ho an'ny mainty fihodirana sy ny fotsy fihodirana, ho an'ny tambanivohitra tso-piaina sy ny mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianany.

Ny mpiasa manetry tena, izay tsy mitoky amin'ny herin'ny tenany fa miasa amim-pahatsorana sady mitoky mandrakariva amin'Andriamanitra no hiray fifaliana amin'ny Mpamonjy. Ny fivavahany maharitra no h itaona ny fanahy ho eo amin'ny hazo fijaliana. Miara-miasa amin'ny ezaka feno fahafoizan-tena i Jesôsy eo amin'ny fanetsehany ny fo maro ka hanao fahagagana eo amin'ny fitaomana ny fanahy hibebaka Izy amin'izany. Hivondrona ao amin'ny firahalahian'ny fiangonana ny lehilahy sy ny vehivavy maro. Trano fioriana sy sekoly maro no hatsangana. Ho heniky ny fifaliana ny fon'ny mpiasa rehefa mahita ny famonjen'Andriamanitra. — TFC 7:26-28. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal