Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanompoana an'Andriamanitra ny fikarakarana ny tany

Daty
Alarobia 27 August 2025

 "Izany voaloboka izany (...) voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron 'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra." — Ezek. 17:7,8.

Mofon’aina 
Ny rafi-pandaminana mikasika ny ampahafolony dia napetrak' Andriamanitra ho toy ny fandaminana tsara indrindra hanam-piana ny olona amin'ny fanatanterahana ny foto-kevitry ny lalàna. Raha ankatoavina ny lalàna, dia hampitokiana ny olona ny tanimboaloboka iray manontolo (...).

Natao hiara-miasa amin' Andriamanitra ny olombelona amin'ny famerenana (...) ny tany marary ho amin'ny fahasalamana indray, mba ho fiderana sy ho voninahitry ny Anarany izany. Koa satria hamokatra ny harenany ny taniny, raha tantanina amin'ny fahaiza-manao sy fahitsiana, dia haneho ny toetran'Andriamanitra ny fon'izy ireo raha Andriamanitra no mifehy izany. (...)

Ao amin'ireo lalàna nomen' Andriamanitra mikasika ny fikara-karana ny tany, dia nanome fahafahana ny olona Izy handresy ny fitiavan-tenan'izy ireo ka hanana ny toe-tsain'ny lanitra. Ho tahaka ny Edena ho azy ny tany Kanana raha mankatà ny tenin' Andriamanitra izy (...). Tanimboaloboky ny Tompo ny tany, ary tokony hotandremana araka ny planiny.

Ireo izay miasa ny tany dia tokony hahatakatra fa manao asa fanompoana an'Andriamanitra. Tahaka ireo lehilahy izay notendrena hanao asa fisoronana sy ny asa mifandraika amin'ny tabernakely izy ireo eo amin'izany toerany izany. (...) — SDABC, b. 1, t. 1112.

 Noho ny tsy fankatoavany an' Andriamanitra dia verin'i Adama sy i Eva i Edena, ary noho ny fahotana dia voaozona ny tany manontolo. Nefa raha manaraka ny fitsipika nomen'Andriamanitra ny vahoakany, dia ho tafaverina ho lonaka sy kanto ny taniny. Andriamanitra mihitsy no manome azy torolalana momba ny fikarakarana ny taniny, ary tokony hiara-miasa Aminy izy eo amin'ny fanorenana azy io. Amin'izay dia ny taniny manontolo eo ambanin'ny fanaraha-mason'Andriamanitra no ho tonga lesona azo tsapain-tanana ara-panahy ho an'ny firenena rehetra. Ny fankatoavana ny lalàna nataony teo amin'ny zavaboary dia nahatonga ny tany hanome ny hareny, dia toy izany koa fa ny fankatoavana ny lalàna ara-pitondrantena dia hahatonga ny fon' ny vahoaka hampiseho ireo lafin'ny toetra amam-panahin ' Andriamanitra. (...). - HF, tt. 293, 294. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal