Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mambabo fanahy amin'ny alalan' ny Sekoly Sabata

Daty
Alatsinainy 22 September 2025

 "Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra." Jao. 3:3.

Mofon’aina:
Tokony ho mpiara-miasa amin' Andriamanitra, miaraka amin'i   Kristy, ny mpampianatry ny Sekoly Sabata. Aza mianina amin'ny fivavahana fombafomba fotsiny sy tsy misy aina. Ny fanangonana fanahy ho an'ny Tompo no tokony ho tanjon'ny Sekoly Sabata. Mety hirindra tsara ny fandaharana, mipetrapetraka araka izay irina ny fitaovana rehetra; saingy raha tsy voataona ho eo amin'i Kristy ny ankizy sy ny tanora, dia tsy mahomby izany ilay sekoly. Raha tsy voasarika ho eo amin'i Kristy mantsy ireo fanahy ireo, dia hanjary feno tsy firaihana, ary tsy hisy fiantraikany aminy ny fombafombam-pivavahana. (...)

Raha mamaly ny antson'ny Fanahy Masina ny mpianatra ka manokatra ny fony hidiran'i Jesosy, dia hosokafana ny sain' izy ireo hahatakatra ireo zava-panahy. Asa tsotra ny asan'ny mpampianatra, kanefa raha tanterahina amin'ny toe-tsain'i Jesosy sy ny fanampian'ny Fanahy Masina izany, dia ho lalina sy hahomby kokoa. 

Tokony hiasa bebe kokoa ny isam-batan'olona ao amin'ny Sekoly Sabata. Tsy fantatra na ankasitrahana araka ny tokony ho izy ny filana izany fomba fiasa izany. Amin'ny fo feno fankasitrahana ny fitiavan'Andriamanitra, izay nomeny ho an'ny fanahy, no tokony hiasan'ny mpampianatra amim-pahalemem-panahy sy amim-pahamatorana ho amin'ny fiovam-pon'ny mpianatra.

Inona no porofo azontsika homena izao tontolo izao fa tsy fombafomba fotsiny ny asan'ny Sekoly Sabata? Ny voany no hitsarana azy. Hotombanana araka ny toetra sy ny asan'ny mpianany izany. Tokony hanankinana andraikitra ireo tanora kristianina ao anatin'ny Sekoly Sabatantsika, mba hahafahan'izy ireo mampivelatra ny fahaizany sy mahazo hery ara-panahy. 

Aoka hanolo-tena ho an'Andriamanitra aloha ny tanora, ary avy eo, hampianarina hanampy ny hafa dieny izao mbola kely izao. Hahafahany mampiasa ny fahaizany izany, ary manampy azy hahay hanao drafitra sy hanatanteraka ny drafiny mba hahasoa ny namany. Aoka izy ireo ho naman'ireo mua fanampiana, tsy hanao resadresa-poana anefa, fa mba haneho toetra kristianina, ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra, amin'ny famaboana ireo izay tsy mbola nanolo-tena ho an'Andriamanitra. — Testimonies on Sabbath School Work, tt. 47,48. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal