Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manehoa firaisam-po

Daty
Alarobia 24 September 2025

 "Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana." - 1 Kôr. 13:8.

Mofon’aina: 
Manantena ny tsirairay hanao asa fanompoana manokana Andriamanitra, dia izay rehetra nanankinany ny fahalalana ny fahamarinana ho an' izao andro izao. Tsy ny rehetra no afaka manao asa misiônera any amin'ny firenen-kafa, saingy ny rehetra dia afaka ny ho misiônera eo an-toerana, ao amin'ny fianakaviany sy eo amin'ny manodidina azy. (...) Ny fiainana kristianina tia manampy sy tsy misy fitiavan-tena no iray amin'ireo fomba mahomby indrindra amin'izany.

Ireo izay miady mafy amin'ny fiainana dia hahazo famelombelomana sy fankaherezana amin'ny alalan'ny fanehoam-pitiavana kely izay tsy mitaky fandaniana akory. Ny teny mamy sy ny fikarakarana madinidinika atao amim-pahatsorana, dia hampisava ny rahon'ny fakam-panahy sy ny fisalasalana mitatao eo ambonin'ny fanahiny. Ny fanehoana firaisam-po marina tahaka ny an' i Kristy, dia manan-kery hanokatra ny varavaran' ireo fo izay mila ny fikasihana tsotra sy malefaky ny toe-tsain' i Kristy.

Raisin' i Kristy amim-pifaliana tokoa ny olona rehetra manolo-tena ho Azy. Ataony miara-miasa amin'ny olombelona ny lanitra mba hanambarana amin'izao tontolo izao ny zava-miafin'Ilay Fitiavana tonga nofo. Resaho izany, ataovy antom-bavaka, hirao, fenoy amin'ny hafa-pahamarinany izao tontolo izao, ary mandrosoa hatrany hanatratra ireo faritra rehetra any lavitra any. (...) 

Ho tena feno fitiavana an'Andriamanitra ireo izay niova fo marina, ka haniry fatratra hizara amin'ny hafa ny fifaliana ao anatiny.

 Irin'ny Tompo ny hanehoan'ny fiangonany amin'izao tontolo izao ny hatsaran'ny fahamasinana. Nokendrena haneho ny herin'ny fivavahana kristianina izany. (...) Tsy maintsy atao ren'ireo izay ao anatin'ny haizina ny hiram-pisaorana sy fiderana. 

Aoka hasehontsika amin'ny fiezahan-tsika hanasoa ny hafa ny fankasitrahantsika noho ny vaovao mahafalin'ny filazantsara, noho ireo teny fikasana sy toky raketiny. Hampita tara-pahazavan'ny fahamarinana avy any an-danitra amin'ireo fanahy sasatra sy very hevitra ary mijaly ny fanaovantsika izany. Toy ny loharano mamelombelona ny mpandeha ana sy mangetaheta io. Eo mandrakariva ny anjelin' Andriamanitra isaky ny misy asam-pamindrampo sy asam-pitiavana atao. — TFC, b. 9, tt. 30,31. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal