"Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Hianao no itokiako; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko." – Sal. 143:8.
Mofon’aina:
Rehefa nanolotra an'i Jesosy ho an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia nampidiriny tao anatin'io fanomezana tokana io ny lanitra iray manontolo. Tsy navelany hihazona ny kileman-toetsika isika, na hanompo Azy araka izay tratrantsika ao anatin'ny fahasimbana noho ny maha-mpanota antsika. Nanao ny zavatra rehetra Izy mba hahatanteraka antsika ao amin'ny Zanany, tsy manana ny fahamarinantsika manokana anefa, fa ny fahamarinan' i Kristy. Omena antsika ao amin'i Kristy ny fahalalana sy ny fahasoavana rehetra; satria ao Aminy "no itoeran 'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra" - Kôl. 2:9.
Natolotr'i Kristy ho antsika ny ainy; fananany isika. Hoy Izy: "Moa tsy fantatrareofanytenanareodiatempolininy Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amininy tenanareo." – 1 Kôr. 6:19. Tokony hasehon ' ny zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanatanterahana ny fitakian'Andriamanitra sy amin'ny alalan'ny fanoloran-tena ho Azy ny fitiavan'izy ireo Azy. Amin'izay fotoana izay ihany vao azony ampiasaina eo amin'ny fanompoana Azy izy ireo, ka mba amin'ny alalan'izy ireo no hamantaran'ny hafa ny fahamarinana sy hifaliany amin ' izany.
Tsy miraika amin'ny mahasoa azy ankehitriny sy amin'ny mandrakizay anefa ny vahoakan'Andriamanitra. Hoy ny Tompo amin'izy ireo: "Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr Jehovah efa miposaka aminao." – Isa. 60:1. Tiany handeha hiasa ao anatin'ny firaisana sy amim-pinoana ary amim-pitiavana izy ireo. Maniry Izy raha mba ao an-tokantrano no manomboka ny asa fanavaozana, eo amin'ny ray sy ny reny, dia hahatsapa ny fiasan'ny Fanahy Masina ny fiangonana. (...)
Amin'ny maha-mpitandrina voate-ndrin' Andriamanitra anareo, ry ray aman-dreny malala, dia tsy maintsy ampiasainareo ny fotoana sarobidy sisa anananareo mba hanaovana ny asa nankininy taminareo. Maniry Izy ny hitaizanareo amim-pahendrena ny zanakareo ho Azy ao an-tranonareo. (...) Mianara amin' i Jesosy; aoka ho mpankatô ny Teniny ianareo. Aoka tsy hahamonamonaina fa hatao mahasarika ny fivavahana; ilain' ny ankizy izany. Tokony hatao izay hahatonga ny ora fivavahan'ny mpianakavy ho ora mahafaly indrindra amin'ny tontolo andro. (...) — RH, 18 Marsa 1902.