"Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. Ary ho an 'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy." - Jao 17:18,19.
Mofon’aina:
Ao amin'ny fanoharana momba ny ondry very dia nampianatra i Kristy fa ny famonjena dia tsy avy amin'ny fitadiavantsika an'Andriamanitra fa avy amin'ny fitadiavan'Andriamanitra antsika. "Tsy misy izay mitady an' AndriaM anitra. Samy nania avokoa izy rehetra"- Rôm. 3:11,12. Tsy mibebaka isika mba hahazoan'Andriamanitra mitia antsika, fa nasehony ny fitiavany mba hahazoantsika mibebaka.
Filazan'ny raby ny hoe misy fifaliana any an-danitra, rehefa misy olona nanota tamin'Andriamanitra ka nolevonina; nefa i Jesosy nampianatra fa ho an' Andriamanitra, ny asa fandevonana dia asa tsy fanaony mandrakariva. Izay ifalian'ny lanitra manontolo dia ny famerenana indray ny endrik'Andriamanitra eo amin'ireo fanahy izay noforoniny.
Rehefa nisy olona nania ary efa lasan-davitra teo amin'ny fahotana, ka mba mitady hiverina amin' Andriamanitra, dia hisetra fanakianana sy tsy fahatokiana izy. Ao ireo hisalasala raha tena izy marina ny fibebahany, ka hibitsibitsika hoe: "tsy mahatombon-tsiraka izy; tsy mba mino aho fa haharitra izy."
Ny olona toy izany dia tsy mba manao ny asan'Andriamanitra, fa ny asan'i Satana izay mpiampanga ny rahalahy. Manantena ny hanakivy io fanahy io amin'ny alalan'ny faninitsiniana ilay ratsy, sy hitarika azy lavitrakokoany fanantenanaary hi saraka amin'Andriamanitra. Aoka ny mpanota mibebaka hijery ny fifaliana any an-danitra noho ny fiverenan'ny anankiray izay very. Aoka izy hahita fitsaharana ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary na manao ahoana na manao ahoana, aoka tsy ho kivy noho ny fanarabiana sy ny fiahiahian'ny Fariseo. (...)
I Kristy (...) dia nanetry tena avy amin'ny toerana ambony nisy Azy, ka nandao ny voninahitra niarahany nanana tamin'ny Ray, mba hamonjy ilay izao tontolo izao iray very. Ho an' io no nandaozany ireo izao tontolo izao tsy nanota any ambony ireo, ho "voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika". Andriamanitra no nanolo-tena tao amin'ny Zanany mba hahazoany fifaliana amin'ny fandraisana indray ny ondry izay efa very. (...) — HF, tt. 157-158.