Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ohatra ho antsika

Daty
Sabotsy 02 May 2026

«Fa ho amin 'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.» - 1 Pet. 2:21,22.

Mofon’aina: 
Mazava eo anatrehantsika ny tombontsoa mahagagan'ny fahafahantsika ho tonga tahaka an'i Kristy — mpankatô ny foto-kevitra rehetra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Kanefa raha ny herin'ny tenantsika ihany dia tsy ho vitantsika velively ny ho tonga tahaka Azy. Avy amin'i Kristy avokoa izay tsara rehetra ao amin'ny olona. Ny fahamasinana lazain'ny Soratra Masina fa tsy maintsy ananantsika mba hahazoana mamonjy antsika dia vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny fifehezan'ny herin'ny Fanahin'ny fahamarinana isika.

Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavan'nY olona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay mahatonga ny asam-pankatoavana marina rehetra ho feno hanitra masina. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny mitozo amin'ny fialana amin'ny ota tsirairay. Mita mivavaka mandrakariva amin'ny Mpamonjy izy mba hanasitrana ny fanahiny marary. Tsy manana fahendrena sy hery handresena izy fa ny Tompo no manana, ary omeny izay rehetra mangata-bonjy Aminy .amim-panetren-tena sy fo torotoro izany.

Asa maharitra sy mitohy ny fanovana ny tsy masina ho masina. Miasa isan'andro ho fanamasinana ny olona Andriamanitra, ary ny olona kosa mila miara-miasa Aminy amin'ny fanaovana ezaka amim-paharetana, amin'ny fikolokoloana fahazarana tsara. (...)

Mihoatra noho izay antenainy indrindra no omen'Andriamanitra ny olona matoky Azy. Tiany ho fantatsika fa rehefa manetry tena sy torotoro fo isika dia eo indrindra Izy no afaka maneho ny Tenany amintsika. Mahafaly Azy ny fitanisantsika ny famindrampony sy ny fitahiany tamin'ny lasa ho antony tokony handrotsahany fitahiana lehibe kokoa amintsika. Omem-boninahitra Izy rehefa tia Azy isika ka manambara ny fitiavantsika Azy marina amin'ny alalan'ny fitandremantsika ny didiny. Omem-boninahitra Izy rehefa atokantsika ho masina ny andro fahafito. Ho an' izay manao izany, (...) hoy Andriamanitra, ny Sabata dia "ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy." — Ezek. 20:12. Ny atao hoe fanamasinana dia fahazarana mifandray amin'Andriamanitra. Tsy misy zava-dehibe sy mahery toy ny fitiavan'Andriamanitra ny zanany. —HP, t. 129. — RH, 15 Marsa 1905.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal