«Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.» - Sal. 37:31.
Mofon’aina:
Maro no latsaka amin'ny fahotana noho tsy fianarana ny Soratra Masina. Tsy niambina ireo ary nanjary haza mora azon'i satana. – L, 1904.
Zava-mahagaga maro no mety ho vitan'ireo izay mifikitra amin'ny toky omen'ny tenin'Andriamanitra. Fahamarinana be voninahitra maro no hiseho eo anoloan'ny vahoakan'Andriamanitra. Hivelatra eo anatrehany ireo tombontsoa sy adidy izay tsy noheveriny velively ho hita ao ami n'ny Baiboly. Hitombo hatrany ny fahalalany ny tenin'Andriamanitra araka ny izorany eo amin'ny lalan'ny fanetren-tena sy ny fankatoavana. (...)
Mitondra tanjaka sy fahamboniana eo amin'ny toetra ny finoana sarobidy avy amin'Andriamanitra. Eo am-pisaintsainana ny fahatsarany sy ny famindrampony ary ny fitiavany, dia hihazava hatrany ny fahatakarana ny fahamarinany. Ho ambony sy masina kokoa ny faniriana hanana fahadiovam-po fahazavan-tsaina. Voaovan'ny fifandraisana amin' Andriamanitra ami n'ny alalan'ny fandinihana ny Teniny ny fanahy izay mitoetra ao amin'ny rivo-piainan'ny fisainana masina. Avo sy lalina ary lehibe tokoa ny fahamarinana, hany ka tsy tazana intsony ny «izaho». Mihamalefaka ny fo, ary rnilefitra amim-panetren tena sy fahatsaram-panahy ary ny fitiavana. Mitombo ny fahaiza-manao voajanahary noho ny fankatoavana masina. (...)
Tsy tonga amin'ny fivelarany ambony sy mendrika indrindra tokony ho tratrany ny sain'ny tanora rehefa manao tsirambina ilay loharanom-pahendrena ambony indrindra izy ireo — dia ny Tenin'Andriamanitra. Lohahevitra lehibe mendrika hosainina ny hoe: isika dia ao amin'ny tontolon'Andriamanitra, eo anatrehan'ny Mpahary, nohariana araka ny endriny, ary manara-maso sy miahy antsika amim-pitiavana Izy - izay mampivelatra sy manandratra ny saina. Izay manokatra ny sainy sy ny fony hisaintsaina lohahevitra toy izany dia tsy ho afa-po amin-javatra mampientanentana fotsiny sy tsy mahasoa. (...)
Mendrika ny hodinihintsika amim-panajana fatratra ny Baiboly. Tsy tokony ho afa-po amin'ny fahalalana ivelambelany fotsiny isika, fa tokony hikatsaka sy hianatra ny hevitry ny tenin'ny fahamarinana amin'ny fahafenoany, mba ho vonton'ireo foto-kevitry ny teny masina ny saintsika. - CPTS, t. 139.