Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanabeazana ambony indrindra

Daty
Alakamisy 14 May 2026

"Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana." - Ohab. 3:13.

Mofon’aina:
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena, ary ny olona manaiky hovolavolaina sy hotefena araka ny endrik' Andriamanitra no mendrika indrindra amin'ny asan'ny tanan 'Andriamanitra. (...)

Ny fahalalana ny fahamasinana avy amin'ny fanandramana iainana, amm'ny alalan'ny fanoloran-tena ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra isan'andro, no miantoka ny fanabeazana ambony indrindra ho an'ny saina sy ny fanahy ary ny tena. (...) Rehefa miezaka amin'ny fo marina isika mikatsaka fahendrena, ka manao izay fara fahaizantsika hanomezam-bonmahitra an'Andriamanitra sy hanampiana ny namantsika, dia omen'Andriamanitra antsika ny heriny. Avy amin'Andriamanitra avokoa ireny fahaizana ireny fa tsy avy amintsika; talenta nomen'Andriamanitra mba hampiasaintsika ho fanompoana Azy no tokony handraisantsika izany.

Ny saina sy ny fahaizana nomen'ny lanitra azy dia tokony horaisina ho fahefana ambony kokoa mifehy ny tena. Mila alefitra eo ambanin'ny fifehezan'ny eritreritra sy ny faharesen-dahatra ara-panahy ny fironana sy ny filana ao anatintsika. (...) 

Tsy mba mampitotongana izay mandray azy velively ny fivavahan’ i Jesosy Kristy, na mahatonga azy ho ratsy na henjam-piteny, na tsy mahalala fomba, na hanandra-tena, na ho mora tezitra, na ho mafy fo. Ny mifanohitra amin' izany, mahatonga ny olona banana fironana tsara izany, manamasina ny fandanjalanjan'ny sainy, manadio sy manao izay mahamendrika ny fieritreretany amin'ny famaboana azy ho an'i Jesosy Kristy.

Ambony lavitra noho izay mety hiheveran'ny olona azy ny idealin'Andriamanitra ho an'ny zanany. Nomen'Ilay Andriamanitra velona ao amin'ny lalany ny fanehoana mazava ny toetrany. I Jesosy no mpampianatra lehibe indrindra, ary tsy misy toa Azy eran'izao tontolo izao. Ary inona no fenitra natao hotratrarin'izay rehetra wino Azy? "Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny  Rainareo Izay any an-danitra." -Mat. 5:48. (...) Ny toetra tahaka ny an'i Kristy no idealin'ny toetra kristianina. Misy lalana mitondra ho amin'ny fandrosoana tsy mitsahatra misokatra eo anoloantsika. Manan-tanjona sy fenitra hotratrarina isika, dia izay tsara sy madio sy mendrika ary ambony. Aoka hisy ezaka mitohy sy maharitra handrosoana ho amin'ny fahatanterahan-toetra. - Ms, 16, 1896.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal