Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifandray amin'ny mandrakizay

Daty
Sabotsy 16 May 2026

Izao no lazain 'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, Ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin 'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha Amin’ny hareny; fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin 'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.» - Jer. 9:22,23.

Mofon’aina:
Misy fanabeazana tena araka izao tontolo izao. Ny tanjony dia ny fahombiazana eto an-tany, ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian'ny olona feno fitiavan-tena. Mpianatra maro no mandany fotoana sy harena amin' izany fianarana izany, nefa mba hamenoana ny sainy amin'ny fahalalana tsy mahasoa akory. Avara-pianarana no iantsoan'izao tontolo i izao azy ireo; saingy tsy ao an-tsainy Andriamanitra. (...) 

Misy karazana fanabeazana izay hafa tanteraka. Ny foto-kevitra ijoroany, araka ny voalazan'ilay Mparnpianatra lehibe indrindra tsy misy toa Azy eo amin' izao tontolo izao, dia ity: "Katsaho aloha ny fan jakan TAndriamanitral sy ny fahamarinany" – Mat. 6:33. Tsy misy fitiavan-tena ny tanjony; ny hanome voninahitra an'Andriamanitra no kendreny. (...) Andriamanitra no loharanon'ny fahendrena rehetra. Tsy misy fetra ny fahendreny, sady marina no tsara Izy. Raha misaraka amin'i Kristy, na dia ny olon-kendry indrindra eto an-tany aza tsy hahatakatra ny momba Azy. Mety hilaza ny tenany ho hendry izy ireo, mety hirehareha ny amin'ny zava-bitany, nefa ny fahalalana ara-tsaina fotsiny, raha tsy misy ireo fahamarinan-dehibe izay i Kristy no ivony, dia tsinontsinona ihany. (...) 

Raha azo esorina vetivety ny sakana eo amin'ny fijerin'ny olombelona voafetra, mba hahitany ny Mandrakizay indray mitopy maso, dia ho tampina avokoa ny vava mpirehareha rehetra. Olombelona voafetra no miaina eto amin'ity tontolo bitika toy ny atoma ity; manana tontolo maro tsy voaisa Andriamanitra, izay mankate ny lalany sy tarihiny araka ny voninahiny. Rehefa lasa lavitra arnin'ny fikarohana ara-tsiansa ataony ny olombelona, araka izay tratry ny fahaizany voafetra, dia mbola misy fahalalana tsy misy fetra any ankoatra izay farany takatry ny sainy.

Mba hahatongavan'ny olona ho hendry marina, dia tsy maintsy manaiky ny fiankinany amin' Andriamanitra aloha izy ireo, ary hofenoina amin'ny fahendreny. Andriamanitra no loharanon'ny hery ara-tsaina sy ara-panahy. Ny olona malaza indrindra nahatratra izay heverin'izao tontolo izao ho faratampon'ny fahaizana ara-tsiansa, dia tsy azo ampitahaina akory amin'i Jaona malala na i Paoly apostoly. Rehefa mitambatra ny hery ara-tsaina sy ara-panahy vao tratra ny fenitra ambony indrindra amin'ny maha olona. CPTS, tt. 64-66. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal