Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifandray amin'ny mandrakizay

Daty
Sabotsy 16 May 2026

Izao no lazain 'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, Ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin 'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha Amin’ny hareny; fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin 'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.» - Jer. 9:22,23.

Mofon’aina:
Misy fanabeazana tena araka izao tontolo izao. Ny tanjony dia ny fahombiazana eto an-tany, ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian'ny olona feno fitiavan-tena. Mpianatra maro no mandany fotoana sy harena amin' izany fianarana izany, nefa mba hamenoana ny sainy amin'ny fahalalana tsy mahasoa akory. Avara-pianarana no iantsoan'izao tontolo i izao azy ireo; saingy tsy ao an-tsainy Andriamanitra. (...) 

Misy karazana fanabeazana izay hafa tanteraka. Ny foto-kevitra ijoroany, araka ny voalazan'ilay Mparnpianatra lehibe indrindra tsy misy toa Azy eo amin' izao tontolo izao, dia ity: "Katsaho aloha ny fan jakan TAndriamanitral sy ny fahamarinany" – Mat. 6:33. Tsy misy fitiavan-tena ny tanjony; ny hanome voninahitra an'Andriamanitra no kendreny. (...) Andriamanitra no loharanon'ny fahendrena rehetra. Tsy misy fetra ny fahendreny, sady marina no tsara Izy. Raha misaraka amin'i Kristy, na dia ny olon-kendry indrindra eto an-tany aza tsy hahatakatra ny momba Azy. Mety hilaza ny tenany ho hendry izy ireo, mety hirehareha ny amin'ny zava-bitany, nefa ny fahalalana ara-tsaina fotsiny, raha tsy misy ireo fahamarinan-dehibe izay i Kristy no ivony, dia tsinontsinona ihany. (...) 

Raha azo esorina vetivety ny sakana eo amin'ny fijerin'ny olombelona voafetra, mba hahitany ny Mandrakizay indray mitopy maso, dia ho tampina avokoa ny vava mpirehareha rehetra. Olombelona voafetra no miaina eto amin'ity tontolo bitika toy ny atoma ity; manana tontolo maro tsy voaisa Andriamanitra, izay mankate ny lalany sy tarihiny araka ny voninahiny. Rehefa lasa lavitra arnin'ny fikarohana ara-tsiansa ataony ny olombelona, araka izay tratry ny fahaizany voafetra, dia mbola misy fahalalana tsy misy fetra any ankoatra izay farany takatry ny sainy.

Mba hahatongavan'ny olona ho hendry marina, dia tsy maintsy manaiky ny fiankinany amin' Andriamanitra aloha izy ireo, ary hofenoina amin'ny fahendreny. Andriamanitra no loharanon'ny hery ara-tsaina sy ara-panahy. Ny olona malaza indrindra nahatratra izay heverin'izao tontolo izao ho faratampon'ny fahaizana ara-tsiansa, dia tsy azo ampitahaina akory amin'i Jaona malala na i Paoly apostoly. Rehefa mitambatra ny hery ara-tsaina sy ara-panahy vao tratra ny fenitra ambony indrindra amin'ny maha olona. CPTS, tt. 64-66. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal