Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanambaran'ny Fanahy Masina

Daty
Alahady 17 May 2026

 « Ny Fanahy dia miara-milaza amin 'ny fanahintsika fa zanak 'Andriamanitra isika.» - Rom. 8:16.

Mofon’aina:

Afaka manambara ny Fanahy fa ankasitrahan'Andriamanitra ny lalanao. Amin'ny finoana ny Tenin'Andriamanitra no ahazoana izany fanambarana izany, amin'ny fandraisana ny Teny ho an'ny fanahinao manokana. Izany no atao hoe mihinana ny mofon'aina, ary izany no mitondra fiainana mandrakizay. Ampitahao amin'ny Soratra Masina ny Soratra Masina. Diniho ny fanehoana ny fiainana kristianina marina araka ny anoritsoritana azy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

 Ny lalan'Andriamanitra no fenitra lehiben'ny fahamarinana. Izany no lazain'ny apostoly fa masina, marina ary tsara. Hoy i Davida: "Tsy misy tsiny ny lalan'i Jehovah, mamelombelona ny. fanahy." – Sal. 19:7. Hoy i Kristy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." (...) "Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ao; izay tia Ahy no ho tian 'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy" - Jao. 14:15,21. Izany no tena fanambaran'ny Fanahy Masina. (...) "Raha mitandrina ny didiko hianareo" — amin'ny fo — "dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin 'ny fitiavany." – Jao. 15:10. 

Ireo izay mankatò ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy hanana fiainana sarotra na ho fadiranovana eto amin'ity fiainana ity. Henoy indray ny tenin'i Kristy: "Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo." -and. 11. Ity no tombontsoa omena ny rehetra — ny fifalian'i Kristy ao amin'ny fanahy vokatry ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra (...) sy ny fampiharana ny fitakian'i Kristy eo amin'ny fiainana isan'andro. Misy tokim-panantenana feno ao amin'ny finoana ny tenin' i Kristy tsirairay, ao amin'ny fitokiana Aminy, ny firaisana Aminy amin'ny alalan'ny finoana velona. Rehefa manao fanandramana toy izany ny olona, dia tsy eo ambanin'ny lalana intsony izy, satria tsy manameloka ny fitondrantenany intsony ny lalana. (...)

Ho an'izay mino dia sarobidy Kristy. Ny Fanahiny miasa ao an-tsaina sy ao am-pon'ny mpino diamifandrindra tanteraka amin' izay voasoratra ao amin'ny Teny. Mifanaraka tanteraka ny Fanahy sy ny Teny. Araka izany, ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. – L, 11, 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal