Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tapa-kevitra ny hanao "tsia" 

Daty
Sabotsy 11 July 2026

"( ...) hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin 'Andriamanitra? " - Gen. 39:9.

Mofon’aina:
Misy mandrakariva ireo olona manana toetra mora manaiky sy malemy sitrapo, ka sarotra ho azy ny manao "TSIA" hentitra, ary vonona hanaraka am-bokony ny hafa izay matanjaka sy tapa-kevitra kokoa izy, hiala amin'Andriamanitra. Tsy manana hery anaty azo ianteherana ireny olona ireny, ary tsy manana foto-kevitra mafy orina hamonjy azy ireo tsy hanaiky soso-kevitra ratsy na tsy hamolavola fahazaran-dratsy. (...)

Mitombo isan'andro ny loza ara-pitondrantena mety hahazo ny rehetra, na antitra na tanora. (…) Miezaka fatratra i Satana mba hitaomana ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ary ny ankizy sy ny tanora ho amin'ny fanao maloto. Fo maro no manaiky ho azon'ny fakam-panahiny satria tsy notezaina na nodiovina na nokolokoloina tamin'ny alalan'ny fahamarinana masina izay lazainy fa inoany. Tsy vitsy no manana fisainana mirefarefa, ary ratsy fiteny sy fitondrantena, ka rehefa tonga ny fakam-panahin'i Satana, dia tsy manana herin-tsaina hanoherana izany izy ireo ka lavo mora foana. (...)

Mila manahy tokoa isika raha tsy ao anatintsika mandrakariva ny fahatahorana an'Andriamanitra. Aoka isika hatahotra andrao manalavitra an'Andriamanitra velona, fa Izy irery ihany no hery sy aro ho antsika rehefa mamely antsika amin'ny fakam-panahiny ny fahavalo. 

Lohahevitra  mahakasika ny fanahy tsirairay ny hoe: Ahoana no hitandremantsika ny tenantsika ho fanaka homem-boninahitra eo imason'Andriamanitra izay masina? (...) Tsy voaro isika na mandry, na mifoha, na mivoaka, na miditra. Miray tetika amin'ireo lehilahy sy vehivavy ary anjely ratsy fanahy i Satana, ary mitambatra ny herin'ny maizina mba hamery sy handringana ny fanahy rehetra izay tsy voahodidin'ny mandan'ny foto-kevitra mafy orin'ny fahamarinana mandrakizay. (...)

Aoka hamaka lalina ao amin'ny fanahy ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Tsy maintsy mifikitra amin'ny herin'i Jesosy Kristy ny finoana, raha tsy izany dia tsy misy fiarovana (...). Mila mifoha ny tsirairay, ka manandratra avo ny fanevan'ny fahadiovana. — L, 26d, 1887.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal