Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahamasinana feno

Daty
Alahady 12 July 2026

"Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian Jesosy Kristy Tompontsika." - 1 Tes. 5:23.

Mofon’aina:
Fanamasinana — firy moa no tena mahatakatra ny hevitr'izany feno?   Tratry ny "tazon'"ny filan'ny nofo ny saina ka manjavozavo. Mila diovina ny eritreritra. Ho toy ny ahoana re ny lehilahy sy ny vehivavy raha takany fa ny fitondrany ny vatany dia misy ifandraisany tanteraka amin'ny hery sy ny fahadiovan'ny saina sy ny fo e! (...) Navotana tamin'ny vidiny lafo tokoa ny lehilahy sy ny vehivavy, dia ny ain'ny Zanak'Andriamanitra mihitsy! Zava-dratsy tokoa ny fametrahan'izy ireo ny tenany eo amin'ny toerana izay manimba ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, ka hahaverezan'ny fahavitrihany sy ny fahadiovany. Tsy afaka manolotra fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra ny olona toy izany.

Ny Kristianina marina dia manao fanandramana izay mitondra azy ho amin'ny fahamasinana. Tsy misy fahatsapana ho meloka ao amin'ny fierireretany, na fahalovana ao amin'ny fanahiny. Hita eo amin'ny fiainany anatiny sy ivelany ny lalan'Andriamanitra, miaraka amin' ireo foto-kevitra sy fepetra ao anatiny. Manazava ny sainy ny fahazavan'ny fahamarinana. Voahaisotra izay rehetra manelanelana ny fanahiny amin'Andriamanitra noho ny firedaredan'ny fitiavany ny Mpanavotra. Manjary sitrapony ny sitrapon'Andriamanitra, dia sitrapo madio, tsara, mendrika sy masina. Maneho taratra ny fahazavan'ny lanitra ny endriny. Tempoly mendrika ny Fanahy Masina ny tenany. (...) – L, 139, 1898.

 Maro ny Kristianina miezaka hitandrina ny lalana, kanefa tsy mahita fiadanana na fifaliana firy. Noho ny tsy fampiasany ny finoany no mahatonga izany tsy fahampian'ny fiainany ara-panahy izany. Toy ny mandeha eo amin'ny tany mangetana izy, sy mamakivaky efitra karankaina. Afa-po amin'ny kely izy, kanefa tokony hangataka betsaka, satria tsy misy fetrany ny teny fikasan'Andriamanitra. (...) Irin'ny Tompo raha samy hanana fahasambarana sy fiadanana eo amin'ny fankatoavana ny zanany rehetra. Amin'ny fampiasany ny finoany no handraisan'ny Kristianina fitahiana. Avy amin'ny finoana no anavaozana ny fahabangana rehetra ao amin'ny toetra, sy anadiovana ny fahalotoana rehetra, anitsiana ny fahadisoana rehetra, ary ampitomboana ny fahatanterahana rehetra. - VM, tt. 498,499. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal