Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihazona ny fitiavana ho velona

Daty
Sabotsy 18 July 2026

"Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy." Kol. 3:18,19.

Mofon’aina: 
maro be ny 'Diana sy ny fahoriana ho voasoroka raha kolokoloin'ny lehilahy sy ny vehivavy hatrany ny fifampiheverana, ny fifampitsinjovana, ny teny mamy feno fankasitrahana, ny fifanajana amin'ny zava-madinika eo amin'ny fiainana, izay mamelona ny fitiavana. Hita fa nilaina koa izany teo amin'ny fitadiava-namana tiana niarahana. Raha mitozo amin'izany fifampiheverana mikolokolo fitiavana izany ny mpivady dia ho sambatra eo amin'ny fiarahamonina misy azy tsirairay avy, ary hanana hery miasa mangina eo amin'ny fianakaviany. Ho feno fahasambarana ny tontolo kelin'izy ireo ary tsy haniry hiala ao amin'izany tontolo izany izy mba hitady fitiavana hafa (...).

Maro dia maro ny vehivavy manantena hahazo tambitamby sy teny mamy, ary fanehoam-pitiavana madinidinika avy amin'ny vadiny izay nifidy azy ho namana mandra-maty. (...) Ireny mari-pitiavana madinidinika ireny no mitondra fahasambarana eo amin'ny fiainana. (...)

Raha mba mitoetra ho malefaka mandrakariva ny fontsika ao an-tokantrano, raha mba misy fifandeferana sy fifampihainoana amim-pitiavana no asetrintsika ny fanehoan-kevitra sy ny fomba fijerin'ny ankilany, raha mba miezaka ny vehivavy mitady izay fomba hanehoana fitiavana amin'ny vadiny, ary ny lehilahy koa toraka izany amin'ny vadiny, dia hiampita amin'ireo zanany izany toe-tsaina izany. (...)

 Ny lahy sy vavy, izay miara-dia eo amin'ny fiainana, dia tokony samy hanao ny fomba rehetra hahasambatra ny anankiray. Izay sarobidy amintsika no arovantsika sy kolokolointsika hihatsara hatrany araka izay azo atao. Nisy fifanakalozana natao sy fanoloran-tena ho mandritra ny fiainana tao anatin'ny fifanekena ara-panambadiana, koa tokony hiezaka araka izay tratra ny lahy sy ny vavy hifehy ny lelany andrao manao teny tsy am-piheverana na feno fahasorenana. Mihoatra noho ny talohan'ny fanambadiana aza ny ezaka tokony hataony satria efa nampiraisin'ny fanambadiana mandritra ny fiainana izy ireo izao, ary na ny lahy na ny vavy dia samy tokony hikely aina mba hitehirizana ny fitiavana ho vao hatrany, dia ilay fitiavana sarobidy nokatsahina fatratra talohan'ny fanambadiana. - L, 27, 1872. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal