Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zava-masina ny fanambadiana

Daty
Talata 14 July 2026

"Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka amin'i Jehôvah ." - Ohab. 18:22.

Mofon’aina:
Nahazo fankasitrahana sy tso-drano avy amin'i Kristy ny fanambadiana, ary zava-masina no tokony handraisana azy. Tsy manohitra ny drafitry ny Tompo ny fivavahana marina. Andriamanitra no nanendry ny vehivavy hikambana amin'ny lehilahy ao anatin'ny fatoram-panambadiana masina, mba hanorina tokantrano izay hosatrohina voninahitra, ary ho tandindon'ny fianakaviana any an-danitra. (...) Ny fanambadiana ao anatin'ny fahadiovana sy fahamasinana, mifanaraka amin'ny rariny sy ny hitsiny, no anisan'ny fitahiana lehibe indrindra nomena ny taranak'olombelona. (...)

Ny fitiavan'Andriamanitra aseho ao amin'i Kristy dia tsy mandrava velively ny fitiavan'olombelona, fa mandray sy manadio tsara izany. (...) Tsy afaka hitondra ny voady sarobidy ny fitiavan'olombelona raha tsy miray amin'ny fomban'Andriamanitra sy hofanina ho mendrika ny lanitra. Maniry hahita tokantrano sambatra i Jesôsy. Ny hafanan'ny fisakaizana marina sy ny fitiavana mampifamatotra ny fon'ny mpivady dia santatry ny lanitra. Drafitr'Andriamanitra ny isian 'ny fitiavana sy firindrana tanteraka eo amin'ireo izay miditra ao amin'ny fanambadiana. Aoka ny ampakarina sy ny mpampakatra hankeo anatrehan'ny lanitra, hifanaiky fa hifankatia araka ny nandidian'Andriamanitra azy ireo. (...)

Nahary ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy Andriamanitra, mba ho namana sy mpanampy tandrify azy, ho iray aminy, hampifaly, hampahery, ary ho fitahiana ho azy; ny lehilahy kosa natao ho mpanampy mahery ho an'ny vehivavy. Izay rehetra miditra ao amin'ny fanambadiana amin'ny tanjona masina ny lahy mba hahazo ny fitiavana madio avy amin'ny fon'ny vavy, ary ny vavy mba hanalefaka sy hanatsara ny toetran'ny vadiny ary hameno izany — dia manatanteraka ny drafitr'Andriamanitra ho azy ireo.

 Tsy tonga handrava io rafitra io i Kristy, fa hamerina izany amin'ny fahamasinany sy ny fahamboniany tany am-boalohany. Tonga Izy hamerina ny endrika ara-panahin'Andriamanitra ao amin'ny olombelona, ary ny fankasitrahany ny fatoram-panambadiana no nanombohany ny asany. Ilay nahary ny mpivady masina voalohany sy namorona paradisa ho azy ireo, no nametraka ny tombokaseny teo amin'ny rafitry ny fanambadiana, izay notsofin-drano voalohany tao Edena, fony niara-nihira ny kintan'ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra. – Ms, 16, 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal