"Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao"- Mpitt. 9:10
Mofon’aina:
Ny feon'ny adidy dia feon'Andriamanitra. Tokony hanao ny adidy tandrifintsika isika na mahafaly izany na tsy mahafaly. Raha asain'ny Tompo mitondra hafatra any Ninive isika, dia tsy ho sitrany ny hankanesantsika any Jopa na any Kapernaomy. Manana antony hanirahana antsika any amin'ny toerana iray Andriamanitra. (...)
Ny zava-madinidinika eo amin'ny fiainana no mampivelatra ny saina sy mamaritra ny toetra. Ireo izay manao tsirambina ny zava-madinidinika dia tsy voaomana hiatrika ny fitsapana mahamay rehefa tonga eo aminy izany. Tsarovy fa ny fanorenan-toetra dia tsy mitsahatra mandra-pahafaty. Isan'andro no itondrantsika biriky tsara na ratsy ao amin'ny rafitra. Ny fanorenana ataonao dia na mibilabila na mahitsy tsara ka ho tonga tempolin'Andriamanitra tsara tarehy. (...) Izay manao tsirambina ny zava-madinika nefa midera tena ka milaza fa vonona hanao zava-dehibe ho an'ny Tompo, dia tandindomin-doza hidaraboka.- RH, 29 Desambra 1910.
Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao. Ataovy mahafinaritra ny asanao ka fenoy hira fiderana. Raha tianao ny hanana boky firaketana madio any an-danitra, dia aza mimonomonona na miteny mafy ny hafa. Aoka ho toy izao ny vavakao isan'andro: « Tompo o! Ampio aho hanao ny tsara indrindra. (...) Omeo hery sy fifaliana aho. Ampio aho haneho ny asa fanompoana feno fitiavan'ny Mpamonjy eo amin'ny fanompoako »
Raiso ho masina ny adidy tsirairay avy, na dia tsotra sy ambany aza, satria anisan'ny fanompoana an'Andriamanitra izany. Aoka tsy hisy na inona na inona hahatonga anao hanadino an'Andriamanitra. Aoka ho hita eo amin'izay rehetra ataonao i Kristy, dia ho feno fahazavana sy fankasitrahana ny fiainanao. Hanao ny tsara indrindra ianao, handroso amim-pifaliana amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, dia hameno ny fonao ny fifaliana avy Aminy.- L, 1, 1904.