Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Famindrampo ho an’izay mamindra fo

Daty
Alarobia 19 August 2026

Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo."- Lio. 6:36 

Mofon’aina:
Toetran' Andriamanitra saingy azon'olombelona ananana ny   famindrampo. (...) Nomena asam-pamindrampo isika mba hatao amin'ireo namantsika. Raha manao izany isika dia miara-miasa amin'Andriamanitra. (...)

Hoy Jehovah: "Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra."- Mat. 9:13. Malemy fanahy sy miantra izay mamindra fo. Ny famindrampo sy ny fitiavana an'Andriamanitra no manadio ny fanahy (...) sy manadio ny fiainana ho afaka amin'ny fitiavan-tena. Fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra ny famindrampo, ary ireo izay miray amin'Andriamanitra sy manompo Azy no maneho izany ka mitaratra ny fahazavan'ny lanitra eo amin'ny lalan' ireo namany. Miantso ny hanehoana famindrampo tsy amboamboarina ny toerana misy ny olona maro. Ny fitsipiky ny famindrampo sy fitiavana no tokony hifehy ny fifandraisan'ny Kristianina amin'ny hafa. Aoka izy ireo hanararaotra ny fotoana rehetra hahafahany manampy ny namany ao anaty ady sarotra. (...)

Aoka izay maniry hanana toetra tahaka ny an'i Kristy hibanjina mandrakariva ny hazo fijaliana izay no nahafatesan'i Kristy tamin'ny fomba nampihoron-koditra mba hanavotana ny taranak'olombelona. Aoka izy ireo hikolokolo mandrakariva ny toe-tsaina feno indrafo izay nandrisika ny Mpamonjy hanao ilay sorona tsy manam-petra ho fanavotana antsika. (...)

 Izay miantra "no hiantrana."- Mat. 5:7. "Izay maniry soa olona hohatavezina; Ary izay mandenc dia mba holemana kosa."- Ohab. 11:25. Misy fiadanana mamy ho an'ny fanahy feno fangorahana, ary fifaliana voatahy no hita ao amin'ny fiainam-panompoana tsy mitady ny tombontsoan'ny tenany fa izay hahasoa ny hafa.

 Izay mahafoy ny ainy ho an'Andriamanitra amin'ny fanompoana ireo zanany dia mifamatotra amin'Ilay manana ny haren'izao rehetra izao eo am-pelatanany. (...) Tsy hahafoy azy amin'ny andro mahory ny Tompo (Fil. 4:19). Ary amin'ny fotoan'ny fitsarana farany no hahitan'izay mamindra fo famindrampo ao amin'ilay Mpamonjy be fiantra, Izy no handray azy ireo ho ao amin'ny fonenany mandrakizay.- ST, 21 Mey 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal