Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahatokiana tsy voahozongozona 

Daty
Alatsinainy 24 August 2026

"Ary ny amiko, dia manohana ahy amin 'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay."- Sal. 41:12

Mofon’aina:
Eo amin'izay rehetra ataony eo amin'ny fiainana, ny tena Kristianina dia miaina araka izay iriny hahitan'ny manodidina azy. Ny fahamarinana sy ny fahitsiana no mitari-dalana azy. Tsy manao teti-dratsy izy ka tsy misy tokony hafeniny. Mety ho voakiana izy, mety hozahan-toetra; nefa ao anatin'izany rehetra izany dia mamirapiratra toy ny volamena tsara ny fahatokiany tsy voahozongozona. Naman' izay rehetra mifandray aminy izy ary mpanasoa azy ireny, matoky azy ny olona satria mendri-pitokisana izy. (...) Manamaivana ny fahasahiranan'ireo rahalahy mahantra izy. Tsy mitady izay hampitomboana ny hareny amin'ny fanararaotana ny fahavoazan'ny namany izy. Izay vidiny ara-drariny ihany no ivarotany amin'ny hafa. Ary raha misy tsy fahatomombanana ny entana amidiny dia lazainy mivantana amin'ny mpividy izany, na dia hahafaty antoka azy aza ny fanaovana izany. (...)

Fantatr'i Satana tsara ny hery miasa mangina avy amin'ny fiainan'ny olona manana fahamendrehana mafy orina ka miezaka mafy izy mba hanakana ny olona tsy hanana fiainana toy izany. Manatona azy ireo amin'ny fakam-panahy maharenoka izy, ka mampanantena harena, toerana ambony, voninahitra araka izao tontolo izao, raha toa izy ireo miala amin'ny fitsipiky ny fahamarinana. Mahomby tokoa izy amin'izany. (...) Tsy ireo izay very harena no tandindomin-doza indrindra, fa ireo izay nahazo harem-bevava. (...) Eny, asaina mivavaka ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin'ny fahoriana. Kanefa ireo miaina ao anatin'ny harena no tena mila ny vavak'ireo mpanompon'Andriamanitra, satria izy ireo no tena tandindomin-doza tsy hahazo famonjena. (...)

Ny tena fivavahana dia tsy zavatra andrakandramana fa tena fanahafana an'i Kristy. Arahin'Andriamanitra maso ary ampamoahiny ny tsirairay ka zahany toetra araka ny vokatry ny asany avy. Tsy ho ela dia ho re ny antso hoe: "Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako." - Lio. 16:2.- Wm, 26 Mey 1908 (ST, 19 Febroary 1902). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal