"Ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin 'ny mazava, sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany."- KM. 1:12, 13
Mofon’aina:
Fndrey ny hakanton'izany teny izany! Raha miezaka mandanja Jizany ianao, dia hahita fa lalina sy mafonja tokoa ny hevitra fonosiny. Isika izao dia volavolaina mba ho vonona honina any amin'ireo fonenana nandehanan'i Kristy mba hanomanany izany ho an'izay tia Azy.
"Nahafaka antsika tamin'ny fahefan 'ny maizina. " Raha marina izany, inona ary ny fialan-tsiny ananantsika amin'ny firesahana momba ny fahakiviana sy ny tsy finoana (...), ka manangona ny haizina hanodidina antsika toy ny akanjo tafiana? (...)
Arakaraka ny iresahana momba ny finoana no hampitombo ny finoana. Arakaraka ny ifantohana amin'ny fahakiviana, ka iresahanao amin'ny hafa ny fahorianao sy hampitomboanao izany mba hahazoanao fangorahana, no hitomboan'ny fahakiviana sy ny fitsapana. Nahoana ianao no mitomany noho ny amin'izay tsy azonao idifiana? (…)
Miomana ho amin'ny fisondrotan-toerana isika, avy amin'ny sekolin'ity tany ity izay mamolavola ny toetrantsika, ho amin'ny fiainana ho avy izay tsy misy fahafatesana, dia ny sekolin'ny lanitra, izay toeram-pianarana ambony kokoa noho ny eto. Tsy natao hiankina amin'ny hery voafetra anefa ny olona, mba handreseny ny zava-tsarotra. Amim-pinoana no tokony hijereny an'Andriamanitra, aoka izy Nino fa azony ampiasaina mba hahazoany fandresena ny fanomezana rehetra avy amin'ny lanitra. Anjelin'ny lanitra an'arivony maro sy an'alinalina no miasa ho an'ireo izay handova famonjena.
Manasa antsika Andriamanitra mba hanakatona ny varavarana mitodika amin'ny tany ary hanokatra ireo izay mifanandrify amin'ny lanitra, mba handrotsahany mivatravatra ao am-pontsika ny voninahitra izay mamirapiratra avy eo an-tokonan'ny lanitra.- Ms, 102, 1901.