"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen 'izao tontolo izao no fanomeko anareo."- Jao. 14:27
Mofon’aina:
Talohan'ny nidiran'ny Tompo-ntsika tao amin'ny fijaliany teo amin'ny hazo fijaliana dia nanao ny fanambarany farany Izy. Tsy nanana volafotsy na volamena na trano havela ho an'ny mpianany Izy. Nahantra Izy raha ny amin'ny haren'ny tany. Vitsy tamin'ireo tao Jerosalema no nahantra tahaka Azy. Kanefa, fanomezana sarobidy lavitra noho izay azon'ny mpanjaka eto an-tarry omena ny vahoakany no navelany ho an' ireo mpianany. (...) Ny fiadanana izay nananany nandritra ny fiainany teto an-tany no navelany ho azy ireo, fiadanana izay tao anatiny raha tao anatin'ny fahantrana Izy, raha nenjehina, ary mbola tao anatiny izany nandritra ny fahoriany tao Getsemane sy teo amin'ilay hazo fijaliana lozabe.
(...) Hahita fiadanam-po ireo izay mino sy matoky tanteraka ny tenin'i Kristy sy manolotra ny fony hotandremany ary mampilefitra ny fiainany eo ambany fitarihany. Tsy misy zavatra eto amin'izao tontolo izao hampalahelo azy ireo raha i Jesosy no mampifaly azy amin'ny Fanatrehany. Misy fiadanana feno ao amin'ny fanekena tanteraka. Hoy ny Tompo: "Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin 'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy."- Isa. 26:3.
Ny fitiavan-tena no manimba ny fiadanantsika. Raha mbola velona ny "izaho", dia vonona mandrakariva isika hiaro azy tsy ho tratry ny fahafaham-baraka sy ny faniratsirana; fa rehefa maty kosa ny "izaho" ary miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainantsika, dia tsy horaisintsika ho zava-dehibe intsony ny fanaovan-tsinontsinona sy ny fanamavoana. (...)
Rehefa mampiantrano an'i Kristy ao am-po isika ka mampitoetra Azy ao, dia hiaro ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra. Izany ihany no fototry ny fiadanana. Ny fahasoavan'i Kristy, izay raisina ao am-po, dia mampitsahatra ny fifandrafiana sy mampitony ny ady ary mameno fitiavana ny fanahy. Izay mihavana amin'Andriamanitra sy amin'ny namany dia tsy mba ho ory. (...) Ny fo izay miara-mitepo amin'ny fon'Andriamanitra dia mpiombona amin'ny fiadanan'ny lanitra ary hampiely ny hery miasa mangina feno fitahiana avy aminy eo amin'izay manodidina azy rehetra.- Wm, 7 Avrily 1908.