Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny anton'ny fakam-panahy

Daty
Talata 01 September 2026

"Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany, " - 1 Kok 10:13.

Mofon’aina:
Inona no atao hoe fakam-panahy? Io dia fitaovana izay isedrana sy izahan-toetra ireo izay mitonona ho zanak'Andriamanitra. Voalaza fa nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra, ary nizaha toetra ny zanak'Isiraely. Midika izany fa namela toe-javatra hitranga Izy mba hisedrana ny finoan' izy ireo sy hitarihana azy hitodika any Aminy mba hahazoany fanampiana. Mamela ny fakam-panahy ho tonga amin'ny vahoakany Andriamanitra ankehitriny mba hahatsapan'izy ireo fa Izy no mpanampy azy. Raha manatona Azy izy ireo rehefa alaim-panahy, dia hohatanjahiny mba hahatohitra ny fakam-panahy. (...)

Ho fizahana ny toetrantsika mandritra ny androm-pahasoavana ny fakam-panahy. ( …) Hihanjahanja ny ao am-pontsika. Tsy fahotana ny iharan'ny fakam-panahy, fa tonga kosa ny fahotana rehefa lavo amin'izany isika. (...)

Voamarina ny fankatoavan'i Abrahama an'Andriamanitra rehefa niara-dalana tamin'i Isaka izy, ho setrin'ilay baiko hoe: f(Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin'ny tany Maria; ary atero any izy ho fanatitra dorana (...)» - Gen. 22:2.

Navela hijaly i Joba, nalaim-panahy mafy, nefa tsy nanonona na dia teny iray aza hanohitra an'Andriamanitra. Naka fanahy an'i Kristy tamin'ny fomba rehetra ireo mpanora-dalana sy Fariseo, izay nampirisihin'i Satana, nandritra ny fiainany teto an-tany. Nefa tsy navelany na oviana na oviana hitarika Azy hiala amin'ny lalan'ny fankatoavana ireny fakam-panahy ireny. (...)

Mampianatra antsika ny ohatra nasehon'i Kristy fa ny hany fanantenantsika hahazoana fandresena dia ny fanoherana tsy tahaka ny famelezan'i Satana. Mahafantatra ny herin'i Satana amin'ny taranak'olombelona Ilay nandresy ny fahavalon'ny fanahy tamin'ny ady tamin'ny fakam-panahy, ary efa nandresy ho antsika Izy. Amin'ny maha-mpandresy Azy, dia nomeny ho tombony ho antsika ny fandreseny, mba hahafahantsika mampiray ny fahalementsika amin'ny heriny, ary ny maha-tsinontsinona isika antsika amin'ny fahamendrehany, eo am-piezahantsika hanohitra ny fakam-panahin'i Satana. (...) Dia hahatohitra izany amin'ny Anarany tsitoha isika, ary handresy tahaka ny nandreseny. —ST, 12 Marsa 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal